airtel

Politique

05-sept-2023

Kandida Sylvia Ranaivojaona

Hamerina ny politikan’ny kibo

Sample post image

Tontosa omaly tetsy Antsakaviro koa ny fanolorana sy fanambarana tamin’ny fomba ofisialy

05-sept-2023

ny kandida ho filoham-pirenena avy amin’ny fikambanana Madagascar perfect, Sylvia Ranaivojaona. Vonona hanangana firenena aho, hoy ity kandida ity. Tarihin’ny fanahy masina isika. Tsy manaotao foana. Mankasitraka ireo efa manohana ary manentana ny malagasy manontolo hanohana fa na dia izao fahasahiako izao fotsiny aza dia efa zava-dehibe. Manaja ny andininy faha 19 ao amin’ny lalàmpanorenana amin’ny mpiasam-panjakana ambony ny tena raha azo raisina ny dosie amin’ny fotoana hanaterana izany eny amin’ny HCC. Miandry an’izay isika dia mitety an’i Madagasikara iraimanontolo. Efa tany amin’ny 30 taona lasa no nanomanana ny vina. Tsy tongatonga foana izao filatsahako izao, hoy hatrany ny tenany. Nilaza ny hamerina ny politikan’ny kibo ity kandida ity ary nilaza fa tsy tena tamin’ilay notadiavina no tontosa tany aloha na koa hoe tsy “perfect”. Fanampin’izay koa, hoy izy, ny fahandriampahalemana sy fanabeazana. Misy ireo nahavita fianarana. Mihidy anaty “tiroir” na fitoeran’entana ny voka-pikarohany nefa tokony hampiasaina amin’ireo tetikasa hampandrosoana ny firenena toy ny hoe fampiasana fasika ho lasa vera, ohatra. Kandida hanangana firenena aho. Hatramin’ny 22 aogositra izahay no efa nivonona tamin’ny fametrahana antotan-taratasy. Noho ny lamina dia ho atao tsy ho ela ny fametrahana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap