airtel

Politique

21-mai-2024

Kandidam-panjakana sasany

Ara-bakiteny ny fanaovana taingim-bozona vahoaka

Sample post image

Ara-bakiteny ny fanaovana taingim-bozona vahoaka raha ny hita sahady

21-mai-2024

amin’ny afitsok’ireo heverina fa kandidam-panjakana sasany na ny kandida natolotry ny vondrona politika IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Gina aho, hoy ny kandida solombavambahoaka hafa, raha nahita ity kandida IRMAR ao Mananara avaratra. Lanjaina eo am-bozon’ireo mpiaradia aminy na koa hoe ireo vahoaka malagasy natao ho sarihany hifidy azy ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Fanontaniana mahazatra ny hoe «Azo atao ve?» fa etsy ankilany koa dia tonga amin’ny nambaran’ny kandida ao amin’ny firaisana faha 4 eto Antananarivo renivohitra, Andrianjato Vonison, izy ity hoe mila miainga ao amin’ny antenimieram-pirenena ny pedagojia politika eto amin’ity firenena ity nefa dia izao ary izany no ataon’ireo heverina fa ho solombavambahoakan’i Madagasikara atsy ho atsy. Hatraiza tokoa moa ny fahatakaran’ny vahoaka malagasy ny tena andraikitr’izany hoe solombavambahoaka izany? Mendrika ny hahazo izany toerana maha solombavambahoaka na depiote izany ve ireo kandida manararaotra ny tsy fahatakaran’ilay vahoaka toy izany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap