airtel

Politique

28-août-2023

Kandidan’ny Arema

Tafapetraka ny dosie saingy…

Sample post image

Tafapetraka ny asabotsy teo ny an-totantaratasy filatsahan-kofidian’i Annick Ratsiraka avy amin’ny antoko Arema.

28-août-2023

Ny Profesora Ange Andrianarisoa no nisolotena ny kandidan’ny Arema nanatitra izany teny amin’ny HCC ary notronin’ireo “comité directeur” sy mpikambana Arema maromaro. Hatreto dia faharoa amin’ireo nanatitra ny antotan-taratasiny I Annick Ratsirana. Tomombana sy tsy nanano sarotra loatra ny fanangonana ny antotan-taratasy sy ny fanarahana ny pitsopitsony izay takian’ny lalana amin’ireo taratasy ilaina. Mbola malalaka rahateo ny fotoana hoy ity kandidan’ny arema ity ka tsy mampanenona ny manitsy ireo izay pitsony takian’ny HCC. Ny fanaterana ny petra-bola na ny « caution » no nasiana fandinihana kely satria dia nanapan-kevitra ny tsy androtsaka izany ny Arema noho ny mbola fanahiana ny tsy hisian’ny fifidianana. Hoan’ny fikarakarana ny fifidianana indray dia marina fa misy ny ahiahy amin’ny tsy fahadiaovan’ny fitantanana ny fifidianana sy ny fisian’ny « doublon »fa izay no antony nanaovana sonia ny « charte de bonne conduite» dia ny fanajana ny filaminana sy ny fandriampahalemana mandritra sy aorian’ny fifidianana. Nanamafy moa ny sekretera nasionalin’ny antoko arema fa efa vonona amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra izy ireo na ny amin’izay enti-manana na ny fitaovana. Efa nahavita nitsidika distrika 92 izy ireo ary mbola ho tohizana izany. Marihina fa tsy mba nandeha fiaramanidina na Angidimbia izy ireo nandritra izany fa tamin’ny alaln’ny fiara avokoa ka afaka niresaka sy nihaino ny hetahetan’ny vahoaka.

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap