airtel

Politique

12-mai-2026

Kaominina Antsirabe I

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

Sample post image

Nametra-pialana omaly alatsinainy

12-mai-2026

11 mey 2026 maraina ny ben’ny tanànan’Antsirabe Renivohitra Rasamimanana Honoré Gabriel. Tsy nisy tena fanazavana mafonja mikasika ny fialany, fa betsaka ny olan’ity kaominina ity raha ny filazam-baovao samihafa. Misy ohatra ny filazana fa tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa 13 volana, misy fitokonana sy fitakiana samihafa,… Na izany aza, efa andro vitsivitsy izay no efa nisy resaka nivoaka amin’ny mety ho fanoloana azy ho PDS noho ny olana maro. Re fa toa hoe efa nampanantsoina teo anivon’ny Minisiteran’ny atitany izy nialohan’izao fanambarana ofisialy ny fametraham-pialana. Mety hisy fanadihadiana ara-pitantanana na ara-pitsarana ? Tsara ny mampahatsiahy fa ben’ny tanàna MAPAR lany fanindroany tamin’ny fifidianana ny desambra 2024. Fifidianana nahiana ho nisy halatra bevava sy fanintsanana ny kandida mpifanandrina satria isa 1 monja no nentina nampandresena an’i Dr Unoh Rabenandrasana nanoloana ny kandida Ravaka Hasiniaina, izay samy nahazo salan’isa 44,54 %, ka vato 19 822 ny an’ny lazaina fa mpandresy, ary 19 821 ny an’ny noresena. Tao anatin’ny horonan-tsary fohy nataony omaly, nilaza i Dr Unoh, fa raha tonga teo ny 2020 dia am-pitiavana no nandraisana izany fitantanana izany, ary nananganana tsangambato maro izay nisy tsy nivoaka akory tamin’ny kitampombolan’ny kaominina, toy ny tsangam-bato « I Love Antsirabe », ny pompiers,… Nifampiarahaba sy nifampitsodrano, nifankahery mba hahavita be, nifampivavaka. Toy izany ihany koa amin’izao raha mifarana izany taom-piasana izany amin’izao amin’ny alalan’ny fametraham-pialana, dia mbola am-pîtiavana ihany koa, ka izay vita dia angataham-bavahaka sy angatahan-tsodrano, ary mifampivavaka samy hahavita be amin’ny andraikitra. « Zava-dehibe ny fitoniana eto amin’ity tanànan’Antsirabe ity, ka mbola noho ny fitivana ny tanànan’Antsirabe ho tafajanonana anaty fitoniana ny fametraham-pialana », hoy i Dr Unoh.
Toky R

 

Dans la même rubrique

11-mai-2026

Filoha koa i Andrianjato Vonison

Card image cap