Ny loto sy ny fako miparitaka, ny làlana potika no misongadina. Tsy araka ilay fampanantenana hoe: “Antsirabe tananantsika, tsy maintsy mandroso”, fa fitadiavana tombontsoa manokana no hita taratra amin’ny fitantanana fa ny lafiny fampandrosoana tsy misy, hoy ny tsikera mivaivay. Raha ny tsilian-tsofina tamin’ireo mpanolon-tsain’ny tanàna avy amin’ny IRD dia toa samy manao izay danin’ny kibony amin’ny fandraisana fanampahan-kevitra ny mpanatanteraka ka isan’ny voatsikera ny Sekretera jeneralin’ny kaominina ankehitriny izay efa Talen’ny Kabinetra tao ihany, hoy hatrany ny fanamarihana. Voalaza fa nisy toerana iray ao amin’ny Arcade, izay fananan’ny kaominina no nomena ampiasain’ny Kaoperativam-pitaterana iray miasa ao Antsirabe ao, kanefa tsy nandalo fanampahan’ny mpanolontsain’ny tanàna ny fampanofana na fanomezana ny fananan’ny kaominina ampiasan’ny olona hafa. Mandeha ny fanairana ny tompon’andraikim-panjakana isan’ambaratongany satria fandikan-dalana tsotra izao izany. Noravana mantsy ny tambohon’’ity toerany iry nananganan’izy ireo fotodrafitrasa fivarotana tapakila hoan’io kaoperativa io, hoy ny fampitam-baovao. Ankoatra io, efa maro ny resaka tsy manjary re momba ny fitantanana ny tananan’Antsirabe, ary saika voatonontonona amin’izany ireo manodidina ny Ben’ny Tanana ary tsikaritra fa toa tsy voafehiny ireo tompon’andraikitra manodidina azy ireo raha ny loharanom-baovao ihany. Re fa mangataka fivoriana amin’ny mpanolontsain’ny Tanana ny mpanantanteraka ary isan’ny laha-dinika ihany koa ny fangatahana alalana amin’ny mba ahafahana mivarotra ny fananan’ny kaominina izay tokony tsy ho azo amidy satria nisy ny didy nandrara izany teo aloha. Re siosio fa isan’ny kitihin’ny orinasa mpamokatra zava-pisotro ao Antsirabe ao ny toerana iray eo Andranomafana ao ary mety hitombina ny fangatahan’ny mpitantana izay fangatahana hivarotra ny tanin’ny kaominina izay, hoy ny ahiahy avy any an-toerana. Voalaza fa naaton’ny orinasa iray ihany koa ny fiaraha-miasa fanamboaran-dàlana ao Antsirabe noho ny olana ara-angovo sy vokatra amin’io orinasa io.
Toky R
Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy
Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna
Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,
Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio
Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may
Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)