ny fivoriana manaraka nataon’ireo ben’ny tanàna miisa 38 eto Antananarivo sy ny manodidina mivondrona anatin’ilay antsoina hoe IPAM. Iarahanay mijery ny olana mikasika ny tanàna iadiadianay tsirairay, hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Harilala Ramanantsoa. Resy lahatra izahay, hoy izy, fa vesatra ho an’ny kaominina ny fandaniana eo amin’ny resaka fandaminana ny lafiny fako. Mbola tsy tena misy ny rafitra ahazoan’ny kaominina tsirairay manodina ny fako ahazoany tamberim-bidy. Nanapa-kevitra izahay fa kaominina miisa 12 manodidina an’Antananarivo, taorian’ny fanadihadiana na «étude» natao niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, no hanaovana tolo-bidy na «appel d’offre» amina orinasa vonona hanodina ny fako any amin’ireo kaominina ireo. Nangataka tamin’ny minisitera izahay mba hanamoràna izany fifanarahana izany. Ho an’ny fitaterana kosa dia ho atao izay hitovian’ny lamandy ampiharin’ireo kaominina rehetra. Mikasika ny haba sy vola alaina amin’ireny fiantsonam-piara samihafa ireny kosa dia ny kaominina no mandamina izany. Tanjona ny hananana tanàna milamina sy mirindra ary vahoaka afa-po amin’ny lafin’ny fitaterana, hoy hatrany ny fanazavàn’ireto ben’ny tanàna ireto. Hifanaraka momba ny fepetra raisina mikasika ny fitaterana, araka izany ireo kaominina mpikambana anaty IPAM.
Nangonin’i J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,