airtel

Politique

30-avril-2024

Kôlekitifa an’ny Malagasy

Miantso ny FMI ho mailo, mitaky fangaraharana

Sample post image

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

30-avril-2024

Lehiben'ny delegasiaonin'ny FMI izay mandalo eto amintsika, ny Kôlekitifa an'ny Malagasy ahitana ny antoko FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana), MTS (Malagasy Tonga Saina), MMM (Malagasy Miara-Miainga), ARB (Anjomara sy Rivo-Baovao), ary ny FMI Malagasy omaly 29 aprily. Miantso fahamailoana avy amin’io rafitra ara-bola iraisam-pirenena io mba hisian'ny mangarahara eo amin'ny pitsopitsony rehetra mikasika ny fifampiraharahana eo amin'ny FMI sy Madagasikara izay mandeha amin'izao fotoana izao ny Kôlekitifa an’ny Malagasy. Tsy inona ireo fifampiraharahana ireo fa momba ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) sy ny FRD (Facilité pour la Résilience et la Durabilité). Notakiana tamin'izany fa mila raisina ny hevitr'ireo mpisehatra ara-toekarena eto amintsika ary hampandalovina ao amin'ny Antenimerampirenena vaovao izay hitsangana mialoha ny faran'ny volana jona 2024 ny mikasika io fifampiraharahana io mba hanamafisana fa amin'ity indray mitoraka ity dia tena hisy fiantraikany amin'ny fiainan'ny malagasy ireo fifanarahana hatao. Tsy vitan'izay fa tokony ho voarakitra ao amin'ny lalàna mikasika ny tetibolam- panjakana io fifanarahana io, araka ny andininy faha-87 sy faha-90 amin'ny lalàm-panorenana. Izany fomba fiasa izany dia ahafahantsika mametraka fototra vaovao, hanatsarana ny fomba fitantanana eto amintsika ary ahafahan'ny vahoaka mankasitraka ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny FMI izay mbola tsy nahitana vokatra tsara. Mihamahantra ny ankamaroan'ny Malagasy fa ny olom-bitsy no mahita tombony hatreto, hoy hatrany ny Kôlekitifa an’ny Malagasy. Marihina fa manodidina ny 660 tapitrisa euros ny vola andrandraina ho azo anatin’ireo fifanarahana ireo, raha ny seraseran’ny Fitondram-panjakana. Efa tapitra rahateo ny FEC teo aloha, ka hiditra amin’ny fifanarahan’ny FEC vaovao. Fanontaniana azo hapetraka ny hoe : nitondra vokatra ho an’ny Malagasy tokoa ve ny FEC teo aloha ? Nangarahara ve ny fitantanana ? Nisy ny famakafakana mivoaka nataona mpitantana ambony tamin’ny Fitondrana Ratsiraka omaly nilaza fa misy tsy mazava ny FEC teo aloha izay ho tapitra ny 28 jona ka antony tsy maintsy hidirana amin’ny FEC vaovao izay vao miditra amin’ny FRD, ary ho eo ambany fanaraha-mason’ny FMI isika anatin’ny 36 taona.
TSY AZO ITOKISANA…
Betsaka ireo fanampiana sy trosa tamin’ny anaran’ny Malagasy no tsy tena nisy fangaraharahana ny fitantanana, raha tsy hilaza afatsy ny volan’ny coronavirus manodidina ny 1 miliara dolara, izay na ny Fitsarana momba ny kaonty aza nitatitra ireo ahiahina fitantanana tsy mazava ankoatra ireny fanabontsinana faktiora tamin’ny resaka tsenam-panjakana ireny, toy ny ny raharaha bonbon sucette, écran plat, vilany vidiana 1 tapitrisa Ar ny iray,… Niaraha-nahalala ihany koa ny fomba fiasa toy ny tsy fisian’ny fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana farany teo, fa ny governemanta no mandidy sy manapaka,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra

Card image cap
17-mars-2025

Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana

Card image cap
17-mars-2025

Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina

Card image cap
14-mars-2025

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

Card image cap