airtel

Politique

07-avril-2026

Kolonely Randrianirina Michael

« Amporisihinareo aho hiala amin’ny

Sample post image

mpanjakana ! Ianareo anefa karamainy hanaratsy ahy !»

07-avril-2026

Efa vita ny fanitsiana ny sata mifehy ny “Fonds routier” tamin’ny faran’ny taona 2025, ka lasa manome vahana ny fikojakojana ny lalana manerana an’i Madagasikara, raha ny filazan’ny Filoham-panjakana nandritra ny dinidinika tamin’ny vahoaka, tanora,.. tao Fianarantsoa ny sabotsy teo. Efa eo am-panaovana lalàna ny didim-panjakana “Hatao laharam-pahamehana ny RN7 manomboka izao », hoy ny Minisitry ny asa vaventy. Nampirisika ny tanora izy mba hanolotra tetikasa azo tanterahina ny Filoham-panjakana. “Alefaso ny tetikasanareo fa vonona izahay hamatsy vola raha maharesy lahatra », hoy ity farany. Nohazavainy fa tsy anjaran’ny fanjakana ny mamorona asa fa ny mamorona tontolo iainana ahafahan’ny sehatra tsy miankina mivelatra, amin’ny alalan’ny fanalefahana vesatra ara-ketra toy ny “redressement fiscal”. Nambarany koa fa ny olana rehetra dia avy amin’ny kolikoly. “Ny olana rehetra dia avy amin’ny kolikoly… Andevon’ny kolikoly isika Malagasy”, hoy izy. Notsindriany fa tsy hisy fandriampahalemana raha tsy resy ny kolikoly. Mikasika ny fifidianana sefo fokontany dia nilaza izy fa mbola hotendrena aloha: “Mbola tsy afaka miresaka fifidianana mihitsy isika amin’izao. Izay no mahatonga ny Antenimierandoholona ho banga amin’izao”. Nohazavainy ihany koa fa ny fahefana noraisin’ny Fanavaozana dia avy amin’ny didin’ny Fitsarana Avo sy ny didin’ny HCC no mamaritra fa tsy azo ravaina io andrim-panjakana io. « Izahay nandray ity Fanjakana ity dia tsy tamin’ny alalan’ny "dialogue politique" na koa fifidianana fa ny "pouvoir régulateur" an’ny HCC no nanomezany anay io Fahefana io. Ao anatin’io didin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana io dia milaza mazava fa tsy rava ny Andrim-panjakana fa mitohy miasa. Anjaranay no manao izay hahatongavana haingana amin’ny fifampiresahana, tahaka izay koa no angatahin’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina, hahatongavantsika amin’izay rafitra vaovao tadiavinareo izay. Raha amin’izao, tsy afaka mandrava rafitra, izy ireo koa tsy afaka manala ahy, raha mamaky tsara ilay didy isika. Fa ny fifampiresahana na ny "concertation nationale" no hametraka antsika izay tondrozotra tadiavin’ny mpanao pôlitika io. Ny tondrozotra navoakanay dia ilay hitondrana ny Fanavaozana mankany amin’ny Fikaonan-doham-pirenena sy mankany amin’ny fifidianana fa tsy ilay fizaràna seza araka ny eritreretan’ny mpanao pôlitika azy. Dia izay no nampikorontanana teo iny, fa izaho mino fa rehefa vita ny Fikaonan-doham-pirenena, rehefa tonga amin’ilay rafitra tadiavinareo, mandeha isika mankany amin’ny fifidianana, mankany amin’ny Repoblika faha-5 dia milamina io », hoy ny Kolobely Randrianirina Michael.

FIALANA AMIN’NY MPANJAKANA
Namporisika ny tanora handray banjara amin’ny Fikaonan-doha hatao amin’ny 14 aprily ny Filoham-panjakana. Nampahatsiahy ihany koa izy momba ny fialàna amin’ireo mpanjanaka. “Ny olana dia izao, ampirisihinareo aho hisaraka amin’izy ireo avy hatrany, kanefa dia ianareo ihany no karamainy rehefa avy eo hanaratsy anay”, hoy ny Kolonely Randrianirina Michael. Nohazavainy fa tokony hanomboka amin’ny fanamafisana ny vokatra sy ny asa malagasy ny fiezahana hiala amin’ny fifehezan’ny mpanjanaka. « Atombomboy amin’ny tsy fampiasana ny teniny aloha, ary ataovy rehareha sy hasandrato ny vita Malagasy », hoy hatrany izy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap