airtel

Politique

19-sept-2022

Politique

Kolontsain’ny fandrobana 2009 Miha latsa-paka amin’ny olom-pirenena

Sample post image

Teo aloha teo saika isam-bolana. Taorian’izay saika isan-kerinandro. Ankehitriny, efa ho isan’andro, dia ahenoana hatrany ny hoe misy maka tsikelikely ny ny fefin’ny tetezana tary.

19-sept-2022

Misy maka ny vy eny amin’ny raokady. Misy manongotra ny bizo tary. Ny faran’ny herinandro teo izao, eto Antananarivo, nisy nangalatra ny vavahadin’ny zaridainan’Analakely. Talohan’io dia niaraha-nahita koa ny fanimban-javatra sy loto napetrak’ireo olona nitsidika voalohany ny zaridainan’Ambohijatovo. Ilay vahoakan’Antananarivo no nokianin’ny ben’ny tananany mafy raha feno loto teny anoloan’ny lapan’ny tanana nandritry ny kifekifety indray maka teto amin’ny firenena iray. Hila hiteny mihitsy ny ben’ny tanana amina kaominina sasany hoe olondia amin’ilay sokajian’ny frantsay hoe “sauvage” mihitsy angamba ity vahoaka malagasy ity satria ankehitriny dia voatery hampianarina miampita arabe satria hoe tsy hainy intsony izany. Iza anefa no nampianatra? Iza no nitondra vahoaka namoha minisitera tamin’ny alalan’ny tandramokotra sy ny karazam-pitaovana toy izany tamin’ny fotoan’androny? Hita ho latsa-paka amin’ny olomperenena malagasy mandrak’ankehitriny ny kolontsain’ny fandrobana nitranga ny taona 2009.
J. Mirija
Legende: Tahaka izao no nanjo ny vavahadin’ny zaridainan’Analakely
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap