raha izao no fandehan’ny toe-draharaha, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika? Ny miaraka amin’Andriamanitra aloha no zava-dehibe indrindra, hoy ny filohan’izy ireo, Eliace Ralaiarimanana. Tsy mitsahatra ny mivavaka ho an’izao firenena izao izahay mba tsy ho sanatria hisian’izany adin’ny samy sivily izany eto Madagasikara. Manana tanjona hametraka tantara tsara ho an’ity firenena ity ny Kristianina manao politika. Marobe ireo mpanakarena hitan’ny masoko. Nametraka lova lehibe ny raiamandreniny. Ady be tsy nifankahitana avy eo ny an’ireo mpandova rehefa maty ilay mpanankarena. Hametraka tantara ho lovain’ny taranaka fara-mandimby no aoka atao tanjona! Ohatra hoe tsy hanangon-karena toy ireo mpanao politika rehetra ireo fa hanala an’i Madagasikara anaty fahantrana, kolikoly, fanjanahana an-kolaka tahaka izao mitranga izao, hoy hatrany ny antoko politika Kristianina manao politika.
J. Mirija
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika