Tsy milamina ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ankehitriny, indrindra, ny mikasika ny fanomanana fifidianana, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Miverina ombieny, hoy izy, ny hoe diso anarana any anaty lisitry ny mpifidy na tsy ao mihitsy nefa nisoratra anarana. Mila fiomanana tanteraka izany rehetra izany ary manainga ny vahoaka hanamarina tsara ny anarany. Hita ho tsy ho ampy mihitsy ny fotoana raha izao fandehany izao. Mety hiafara amin’ny tetezamita ihany. Raha izay anefa no mahasoa sy mampangarahara, indrindra, izany fifidianana izany dia aleo atao fa ferana ho 3 na 4 volana ihany handaminana ny zavatra rehetra hampandeha araka ny tokony ho izy ilay fifidianana. Aoka izay ny fihatsaram-belatsihy sy adiady politika fa izay hahasoa sy hampandroso ny firenena no andeha katsahina. Aleo andeha aloha ny fifidianana filoham-pokontany mba tsy hisian’ny hoe Ranona no nanendry an’iry na Ranona no nanendry an’iry! Mbola tsy fantatra izao na ny daty hanaovana ny fifidianana aza. Mbola tsy mazava ny tetibola entina manatontosa ilay fifidianana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,