hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, amin’izao raharaham-pirenena misafotofoto izao. Tsy hitan’ny olona intsony izay marina hoe andeha sa tsy andeha ity fifidianana ity, hoy izy? Zava-dehibe amiko io fihaonan’ireo kandida amin’ny vahoaka eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina io. Efa tsy mandeha amin’ny laoniny daholo ny zava-misy eto Madagasikara. Voahitsakitsaka ny lalàmpanorenana. Niady ho an’ny fahaleovantena ireo razambe ny taona 1947. Izao anefa mbola tsy azo ireo nosy manodidina ary aza manantena ahazo izany raha mbola frantsay no mitondra. Mila ianarantsika mihitsy aloha hoe avy aiza marina ity malagasy ity. Izay olona avy any ivelany rehetra ve ka mahay teny malagasy atsy ho atsy dia afaka hanjakazaka amin’ny harena an-kibon’ny tanintsika sy rehefa mety ho harem-pirenena eto? Tena hikatsaka fahaleovantena ve isika sa hiverina amin’ny fanagejana? Mila miheritreritra isika dieny mbola tsy tara! Maika ny fampihavanam-pirenena izay tarihin’ireo Ampanjaka taranaka mpitolona. Vita 1 andro sy tsy mila volabe izany raha tena ho atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,