airtel

Politique

05-déc-2023

Krizin’Andrim-panjakana

Mety tsy hisy ny fihaonan’ny depiote sy ny governemanta…

Sample post image

Ny 15 desambra izao no hifarana ny fotoam-pivoriana ho an’ny solombavambahoaka.

05-déc-2023

Ankoatra ny fandinihana sy fandaniana ny volavolandalana lasitra misahana ny tetibolam-panjakana na PLF izay efa nolanian’ny depiote 60 mehery kely teo, dia endrika isehoan’ny hatramin’izay amin’ny fotoana famaranana izany ny fanaovan’ny governemanta tatitra sy hametrahan’ny olom-boafidy fanontaniana amin’ny mpanatanteraka. Mbola baraingo anefa ny hisian’io, raha ny loharanom-baovao avy etsy Tsimbazaza. Takian’ny solombambavambahoaka anefa ny fanaovana jery todika ny fifidianana eo anatrehan’ny ahiahina hosoka, mba hanarenana ny fifidianana. Tahaka izany ihany koa ny fanaovana jery todika ny asan’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny 5 taona sy tao anatin’ny heritaona farany, ireo fampanantenana tsy tanteraka,… Betsaka ireo fampanantenana tahaka ny Tanamasoandro, Fly Over, ny lalambe migodana Antananarivo-Toamasina izay manodidina ny 260km izay nambara fa ho vita hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity ny 80km,… Mby aiza ny fahavitan’izany izay efa nisy sora-bola 300 miliara Ar? Manao ahoana ny fikojakojana ny làlana izay tapitra potika sy ny maro hafa? Andrasana na mbola hisy ihany na tena tsy hisy intsony ity tatitra ity. Endrika maneho sy manamafy, fa mbola mitoetra ny krizin’Andrim-panjakana eo amin’ny mpanao lalàna sy mpanatanteraka efa herintaona katroka izao. Raha miverina amin’ny tantara, dia herintaona katroka tahaka izao no nisian’ilay fehin-kevitra fitsipaham-pitokisana ny governemanta nataon’ny Antenimierampirenena, izay nisiana taratasy manamafy ny tsy fanjariam-pitantanana maro : kolikoly, fandikan-dalàna, tsy fanajana ny fisaraham-pahefana, tsy fahafehezana ny olana ara-tsosialy, fiakaran’ny taham-pahantrana,… Natsefotra tao anatin’ny tsy ara-dalàna anefa izany, ary nisian’ilay resaka fa nampitomaniana teny amin’ny Foiben-toeran’ny Antokon’ny Fitondrana ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa. Mbola nanamafy ny krizy ny fanonganana ireo Mpikamban’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenana ny jona 2023, ka nanaovana latsa-bato naongana ny Filoha Brunelle Razafitsiandraofa, Jean Jacques Rabenirina, ary ny Kestora Mamy Rabenirina, saingy nitsefotra tsy nahazo ny 2/3 tamin’ny mpikamban’ny Antenimiera. Tsy nisy ihany koa ny fanintsiana ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2023 tamin’ny fivoriana nialohan’izao noho ny safidin’ny ngovernemanta,… Ankehitriny, io mandeha io indray ny resaka fa mety tsy hisy ny fihaonana eo amin’ny roa tonta. Asa mety misy ifandraisany amin’ireo lonilony samihafa ve ? Vao tato anatin’ny zotram-pifidianana rahateo no nenjehin’ny Governemanta ho vovonana mpanohitra mikotrika fanonganam-panjakana ny Vovonana mpanelanena tarihin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny FFKM na PAN-FFKM.
HANAO AHOANA NY HO AVY ?
Mifamatotra ny mpanatanteraka sy ny mpahay lalàna na eo aza ny fisaraham-pahefana. Hanao ahoana ny fanendrena ny Praiminisitra aoriana ? Amin’izao aloha, dia mbola ny IRD no manana ny maro an’isa saingy efa ho tapitra ny taom-piasana. Ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra fa ny vondrona parlemantera manana ny maro an’isa eo anivon’ny antenimierampirenena no manolotra anarana hotendrena ho Praiminisitra. Ho voatazon’ny Antokon’ny mpitondra ve ny fananana depiote maro an’isa ao Tsimbazaza? Hifaninana ao anatin’io ve ny mpanohitra ?
Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap