airtel

Politique

09-oct-2023

Krizy politika goavana

Mila ahemotra aloha ny fifidianana…

Sample post image

Miha mangotraka ny toe-draharaham-pirenena, mihalalina ny fifandonan-kevitra goavana mialohan’ny fifidianana.

09-oct-2023

Ny andaniny dia ny ankolafin’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina izay ampian’ny governemanta Ntsay Christian izay napetrany, midingin-drambo tanteraka fa tsy maintsy tanterahina ny fifidianana na inona na inona olana politika, ary sokajiana avy hatrany ho asa fanakorontanana ny fitakiana fanadiovana ny fifidianana amin’ny endriny maro. Ankilany ny Firaisankinan’ny kandida mahatratra 11 amin’ny 13 izay tena mitaky ny hisian’ny fanadiovana, fanovana sy fanamboarana rafitra tahaka ny fametrahana rafi-pitsarana manokana misahana ny fifidianana dia ny CES (Cour Electoral Spécial) noho ny tsy fahatokisana ny HCC, fanamboarana na fanavaozana ny CENI,… Tsy te hahalala izany ny ao anatin’ny fitondrana kanefa ny ahiahy miakatra hatrany? Hiteraka fitoniana ve izany? Tena fanakorontanana sy fahatahorana fifidianana ve ny fitakiana fa tena mila diovina ny kianjam-pifidianana mba tena ho azo antoka sy eken’ny rehetra ny valim-pifidianana eo? Ampahany tamin’ny sary nitranga ny fitoriana marobe nataon’ny kandida teny amin’ny HCC toy ny tsy tokony handraisana ny fahafahan’ny filoha teo aloha mirotsaka, ny fanafoanana ho tsy manan-kery ny taratasy momba ny zom-pirenena Malagasy mbola azony na efa mazava aza ny andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zom-pirenena fa very ny maha Malagasy azy,… Tsy nisy noraisina ireny kanefa tena olona manam-pahaizana momba ny lalàna no nanao ny fitoriana ka mazava ho azy fa mitombo ny ahiahy. Raha handeha ny fifidianana ka hisy fitoriana hafa eo anatrehan’ny tranga efa hita: fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, hetraketraka, mizana tsindrian’ila,… dia azo antoka fa horaisin’ny HCC ve? Matoa ireo kandida 11 nandrotsaka ny anto-bola 200 tapitrisa Ar dia midika fa vonona amin’ny fifidianana fa tsy handeha handany andro hitarika vahoaka eny an-dalambe fa matoa tonga amin’izany dia mila fifidianana madio. Raha ny sary mitranga ankehitriny, tena mety ny fanemorana ny fifidianana ka hanaovana fanadiovana sy fifanarahana politika mazava hisorohana ny krizy sy sakoroka ka ahafahan’izay filoha vaovao eo mahazo fankatoavan’ny rehetra sy hanana fahamarinan-toerana no zava-dehibe.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap