a misy koa anefa no tena zava-misy tanatin’ireo zava-nitranga ankehitriny, hoy ny mpanao politika, Lahatra Andriamahatsangy. Zavatra iray ihany, hoy izy, no tiako ho resahina ao anatin’izay fandrebirebena saim-bahoaka izay dia misy ny atao hoe taom-baovao malagasy sy ilay hira malaza tamin’iny faran’ny herinandro iny. Miara-miainga ireo zavatra ireo, raha ny fahitako azy, ary nampiarahana satria misy dikany be izany hoe miakanjo fotsy daholo ireo mpihira dia novaina amin’izay mampety azy ilay hira. Tapitra moa ilay «Buzz» fa raha ny mikasika raharaham-pirenena dia manana 2 herinandro izany ireo manam-paniriana hirotsaka ho kandida amin’ity fifidianana hoavy ity. Efa samy miomana amin’izany ny etamazaoro politika samihafa. Iaraha-mahalala fa ho ataon’ny olona angaredona ny fitondrana amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity. Inoana fa misy tahotra ao amin’ny fitondrana satria hitambatra daholo, amin’ny ankapobeny, ireo manohitra ny fitondrana ary hiezaka mafy ry zareo hanao «diversion», araka ny efa voalaza teo. Maninona moa no mbola tsy tratra hatramin’izao ilay biby? Tonga any Taolagnaro io, any Ambositra, ato Antananarivo, na aiza nefa, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,