airtel

Politique

28-sept-2023

Lahatra Andriamahatsangy

“Miandry izay ho avoakan’ny zoma ny etamazaoro politika!”

Sample post image

Hisy ny tatitra ho an’ny vahoaka ho ataon’ireo kandida miisa 11 etsy amin’ny lapan’ny

28-sept-2023

fanatanjahantena Mahamasina ny zoma izao, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Lahatra Andriamahatsangy. Ireo fivoriana samihafa niarahana tamin’ny sehatra iraisampirenena sy vondrona na fiarahamonim-pirenena samihafa izany no ho taterina aho, hoy izy. Amin’ny herinandro ambony, raha ny tokony ho izy, no hanomboka ny fampielezan-kevitra. Efa eto an-tanindrazana koa ny filoham-pirenena teo aloha. Hita ny tsy fahazotoany loatra nanatrika fihaonana raha nasain’ny FFKM. Miandry izay ho avoakan’ny amin’ny zoma ny etamazaoro politika rehetra! Raha ny tokony ho izy tsy misy kandida tokony hivoaka ny firenena intsony satria efa anaty vanim-potoanan’ny fifidianana isika fa ilay kandida iray moa izany nandeha nody. Mandalo izy no eto Madagasikara izany raha ny adihevitra mipetraka amin’izao fotoana izao. Tsy misy afa-tsy fifidianana moa na izany aza no azo amahana izao zava-misy izao. Ny fifanarahana politika tokana azo atao dia ny fanovana ny HCC sy CENI. Rehefa voavaha fa tsy hiandany ireo hikirakira fifidianana ireo dia amin’izay no azo atao hoe voavaha ny olana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap