airtel

Politique

08-sept-2023

Lanto Rakotomavo

“Ratsy hatrany ny vokatry ny amboletra”

Sample post image

Raiamandreny nanana adidy niantso ny zanaka ny FFKM, hoy ny mpanao politika, Lanto Rakotomavo,

08-sept-2023

manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nanomboka tany amin’ny fihaonana isam-paritra, hoy izy, ny fihaonambe. Te hanana firenena vanona ny FFKM. Efa zava-dehibe ny fampihaonana. Inona tokoa moa no tsy hahafahantsika malagasy mihaona sy mifampiresaka ary mikaon-doha amin’izay hanaovana ity firenena malagasy ity? Nahagaga fa tamin’ny fotoana nanokafana fihaonamben’ny FFKM dia singa tokana tamin’ny fitondrana no tazana teny an-toerana dia ny filohan’ny antenimieran-doholona. Tena mahagaga hoe izy ve no solontenan’ny fanjakana iraimanontolo? Efa hita ho tsy fitiavana hifanakalo hevitra ny tsy fahazotoana hiatrika fihaonana tahaka ireny. Ho ratsy hatrany anefa ny vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy ny amboletra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap