Io izay marihina fa manameloka ny fakana ny tanin’I Ukraine amin’ny alalan’ny “annexion” na fampidirana azy ho isan’ny Federasionina Rosianina taorian’ny latsa-bato fitsapankevi-bahoaka ny haha ho isan’ny firenen’I Rosia an’I Donetsk, Lougansk, Zaporijia, ary Kherson. Isan’ireo firenena 143 nanameloka izany I Madagasikara. Nanaitra anefa ny vaovao navoakan’ny fahitalavi-panjakana TVM nilaza fa tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra io fanapahan-kevitra io. “Raha ny tsilian-tsofina heno anefa dia tsy nahazo fankatoavana tamin’ny Filoham-pirenena… Nanaitra ny maro io fanapahan-kevitra io satria midika fa niova hevitra I Madagasikara lasa niandany tamin’ireo firenena vahiny hafa manameloka an’I Rosia kanefa raha vao nanomboka ny ady, dia nilaza ny fitondrana fa tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa”, hoy ny vaovaon’ny Fahitalavi-panjakana ny sabotsy 15 oktobra 2022 teo. Nilaza ho nanao fanadihadiana manokana ny TVM ka nahalalana fa tsy nisy toromarika avy amin’ny Fitondrana Malagasy nanaovana iny latsa-bato nanao eny tany amin’ny Firenena Mikambana ny alarobia alina. Midika ve izany fa ny Minisitry ny raharaham-bahintsika irery no nanome baiko ny masoivohontsika tany New York fa tsy nierana tamin’ny Filoha sy ny Praiminisitra izay tompon’ny teny farany amin’ny diplaomasia? hoy ny fanontaniana. Tena misy ve ny olona tsy voafehy intsony ao anaty governemanta sa manao vazaha mody miady indray ny Fanjakana? Raha ny loharanom-baovao, roa andro mialohan’ny fifidianana no efa any amin’ny solontenan’ny firenena tsirairay ny dosie, saingy nodinganina ve ny Filoha izay tompon’ny teny farany amin’ny raharaha diplaomatika ?
TSY MAHAFEHY NY OLONY RAJOELINA?
Ny lojika amin’izao toe-draharaha miendrika “scandale diplomatique” izao, raha toa ka tsy manao sinema ny Fitondrana dia hesorina amin’ny toerany ny Minisitry ny raharaham-bahiny Richard Randriamandranto satria misy endrika fanapahan-kevitra tsy araka ny politikan’ny fitondrana sy fihoaram-pefy ara-diplaomatika, tsy voafehy sy manao izay tiany fa tsy maka hevitra amin’ny Lehibeny na manao “insubordination”. Raha tsy izay, mbola te hilalao an’ilay hoe: sady tsy te ho ratsy amin’ny ankilany no mila ranondranony amin’ny andaniny, ka sady manameloka an’I Russie no mody manao vazaha mody miady mifanilika hoe: tsy avy amin’ny Filoha io. Midika ihany izany, fa tsy voafehin-dRajoelina intsony ny olona eo ambany fifehezany sy ny firenena manontolo matoa tonga amin’izao. Ahiana ho nisy ny tambiny lehibe tamin’ny fiandaniana tamin’ny Tandrefana miara-dia amin’I Ukraine kanefa tsy te ho ratsy eo anatrehan’I Rosia. Izany ve anefa no tena atao hoe: diplaomasia an’ny volomboasary? Mbola mitoetra ve ny hasin’ny Fanjakana sa dia iniana porofoina hatrany ilay “sans qualité” fanasokajian’ny vahiny tamin’ny tetezamita ka izao sisa ny fomba fitantanana firenena? Tsara ny manamarika, fa isan’ireo olona novolavolain’ny Amerikanina, ary fonksionera ambony teo anivon’ireo rafitra ara-bola iraisam-pirenena ny Minisitry ny raharaham-bahiny Richard Randriamandranto ka mety tsy dia atao mahagaga ihany ny safidy, izay voalaza anefa fa tsy nahazo tsodrano tamin’ny Filoha sy ny Praiminisitra. Inona no ho tohiny
? Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,