mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko MMM nandritra ny fandraharana angaredona. Efa tena tonga eo amin’ny faratampon’ny fandikan-dalàna ny eto Madagasikara ka sao dia tonga ny fotoana handaminana tanteraka , ny zava-misy eto hoy ity mpanao politika ity. Raha raisina amina hoe trano iray i Madagasikara, hoy i Laurent Ramaroson dia ilay vato fototra sy marin-trano mihitsy no tsy izy intsony eto fa ny lakozia no atao efitrano fandriana. Ny hoe hiroso amin’ny fifidianana efa tsy mety intsony , efa voahitsakitsaka ny lalampanorenana natao ho fandaminana ny fiarahamonina, ny HCC mpiambina azy efa tsy azo itokisana intsony, ny governemantan’i Ntsay Christian misandoka fahefana ka inona no atao ? Aleo mifanandamina ,hoy izy dia jerena mihitsy aloha inona no mety amintsika ary inona no hatao eto .
FAHAIZANA POLITIKA
Ho an’ireo manakiana ny zavatra ataon’ny Firaisankina’ny kandida kosa ny amin’ny hoe tsy mahatoky zotram-pifidianana kanefa nahoana no nanao kandida sy nanoratra narana ihany dia tsotra no navalin’i Laurent Ramaroson : izany no atao hoe politika ary tena fahaizana politika izany. Raha tsy kandida izao i Andry Raobelina tsy afaka nametraka taratasy teny amin’ny HCC nangataka ny fampihemorana ny fifidianana noho ny ratra nahazo azy, zo omen’ny lalampanorenana ireo kandida Filoha izany araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 47. Fahaizana politika izany sao tsy takatry ny saintsika ,hoy izy.
Nangonin’i RTT
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny