airtel

Politique

30-avril-2025

Lavadrano 35 mitentina 4,9 miliara Ar

Nankaiza no niafarany 6 volana aty aoriana ?

Sample post image

Tapa-taona aty aorian’ny fanapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny septambra 2024

30-avril-2025

ny hametrahana lavadrano miisa 35 eto Antananarivo sy ny manodidina, mby aiza no niafarany ? Mitentina 4.995.019.000 Ariary ny teti-bidin’ny asa ary miisa 24500 kosa ny hisitraka izany, raha ny serasera natao.Nambara fa vahaolana vonjimaika entina hamenoana ny tsy fahapian-drano eto Antananarivo izany noho ny fahitana tsy fahampiana 100.000m³ ny famokaran'ny tambazotran'ny JIRAMA amin'ireo faritra Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano sy Ambohidratrimo ka hametraka lava-drano miisa 07 eto Antananarivo Renivohitra, 14 Antananarivo Atsimondrano, 07 Avaradrano, 07 ao Ambohidratrimo. Mba hamaliana ny filan'ny mponina amin’ireo faritra voakasiky ny tsy fahampian-drano no nambara fa antony, ka nilazana fa hanaovana tolo-bidy ao anatin'ny fe-potoana 15 andro, ary hatomboka avy hatrany ny asa, hamokatra 700m³ isan'andro ireo lavadrano ireo. Nanamafy ihany koa ny Filohan’ny Repoblika fa vonjy maika no hametrahana ireo lavadrano ireo fa tsy vahaolana ka nanomezana toromarika ny minisitra tompon’andraikitra mba hitondra ireo fanadihadiana momba ny famatsian-drano eto Antananarivo hametrahana izay vahaolana maharitra izay indrindra. Mby aiza izany ny niafaran’ilay tetikasa tapa-taona aty aoriana sa ny serasera nipoapoaka no lasa aloha fa ny asa nitarazoka ? Sa kosa efa vita sy efa nampiasaina ireo asa vita ? Raha ny serasera natao izay tao anatin’ny vanim-potoanan’ny main-tany nampikolay vahoaka tamin’ny resaka rano izay mitohy hatramin’izao mantsy, dia tahaka ny hoe : andro no isaina dia milamina ny zava-drehetra. Matevina rahateo ny sora-bola satria raha atao ny kajy dia manodidina ny 140 tapitrisa Ar ny saran’ny fanamboarana lava-drano iray. Kandida ben’ny tanàna iray teto an-dRenivohitra aza nahavita lavadrano maodidina ny 40 teto Antananarivo tao anatin’ny fotoana fohy kanefa ny Fanjakana izay manam-bola sy manana fahefana toa tsy hita izay afitsoka fa serasera no betsaka !? Andrasana ny tatitra ofisialy momba ny fivoaran’ity tetikasa ity sy ny hafa mitovitovy aminy, fa raha ny fampisitrahana rano fisotro madio ny vahoaka aloha dia mbola lavitry ny kitay ny afo. Manaporofo izany ny tatitry ny Afrobaromètre ny 20 martsa lasa teo fa mbola ny 75% amin’ny Malagasy no tsy nisitraka rano fisotro madio ho an’ny taona 2024.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap