Laza Razafiarison. Gaga sady menatra ireo mpiasam-panjakana voabaiko hanao propagandy fa tsy nanam-po hifanena tamiko, hoy izy. Hoy ilay lehibeny hoe baiko ny anay Mr Laza. Valin’ny “sondage”, 90%n’ny entana amidy dia tsy novokarina teo an-toerana. Ny vokatra avy ao dia paraky, toaka gasy, voamanga, mangahazo. Ny legioma avy any amin’ny tanan-dehibe daholo. Ny “frippe” no betsaka indrindra. Ny vokatry ny tany zara raha misy. Ny “film” amin’ny CD no be mpitangorona. Ny lasopy sy “composé” no be mpihinana. Ny INSTAT moa nilaza hoe 33% no “sans instruction” na tsy manam-pahalalana ary 52% nandalo “Primaire” na ambaratonga fototra fa izaho nahatsikatitra fa mihoatra ny 50% no “sans instruction” fa nampiresaka olona maro aho. Nividy vary koa aho fa tsy mahay manisa vola ilay mpivady nividianako azy. Tena lavitra zareo ny ezaka mila hatao ah! Tena lavitra, hoy hatrany i Laza Razafiarison.
J. Mirija
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia