airtel

Politique

23-janv-2023

Politique

Leo fitondrana Rajoelina Mpanao politika maro mivorivory

Sample post image

Mpanao politika manodidina ny 70 no nikaon-doha nanao fivoriana politika tany an-tranon’ny depiote Voninahitsy Jean Eugène teny Ambohipo ny sabotsy lasa teo.

23-janv-2023

Fihaonana politika nahitana olom-boafidy am-perin’asa sy tompon’andraikitra ara-panjakana teo aloha aloha maro, raha ny loharanom-baovao. Tafiditra ao anatin’izany ny Minisitra teo aloha Ny Hasina Andriamanjato, izay vao avy nanao fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra iray ny herinandro teo, izay heverina fa tsy tongatonga ho azy. Ity farany izay tsikaritra ho tsy dia miray feo sy mitakosona amin’ny fitondrana Rajoelina na ekipany tao anatin’ny 2009, ary toa misy endrika fanoherana na tsy niteny mivantana aza, toy ny nanehoany fa mankasitraka ny toriteny nataon'i Pasitera Filoha mpanampy eo anivon’ny FJKM teny amin’ny coliseum. Anisan’ny voatonona ho ao anatin’io ihany koa ny Minisitra teo aloha Manantsoa Victor, Reboza Julien,… Misy depiote am-perinasa maromaro voatonona : Voninahitsy Jean Eugène, Roland Ratsiraka, Narson Rafidimanana, Johasy Eléonore, Jean Jacques Rabenirina, Fidèle Razarapiera, Hanitra Razafomanantsoa, Rodin Rakotomanjato,… Voatonon’ny loharanom-baovao ihany ireo mpitarika antoko tahaka an’Atoa Rivo Rakotovao sy Désiré Rasambany, ny Filohan’ny MMM Atoa Hajo Andrianainarivelo. Voalaza fa raha tsy misy ny fiovana dia hisy ny fanambarana politika goavana ataon’izy ireo alakamisy 26 janoary 2023 izao. Andrasana ny akony, fa raha loharanom-baovao hatrany, dia nampitovy tadin-dokanga hiray feo ao anatin’ny fahintsiana sy tsy handairan’ny kolikoly ireo amin’ny firaisam-peo amin’ny fanoherana ny Fitondrana Rajoelina. Ny fanambarana ofisialy no mety handiso na hanamarina azy, fa raha ny loharanom-baovao tsy ofisialy dia hivondrona ao anatin’ny Vovonana iray antsoina hoe HBK na LERA (Leo Rajoelina) izay ity farany no voalaza fa lanin’ny besinimaro. Raha raisina amin’izany, firaisam-peo amin’ny fanoherana ny Fanjakana Rajoelina aloha izany no mety hevi-dehibe iraisana. Inona no mety ho tanjona hotrarina ao anatiny eo anatrehan’ny raharaham-pirenena miseho ankehitriny toy ny fifidianana ho avy ? Misy mantsy ny fitakiana politika samihafa toy ny: fikaonandoham-pirenena, ny fanadiovana ny kianja politika hiatrehana fifidianana, fanaovazana ny lalàm-pifidianana,… Tanjona amin’ny politika ihany koa amin’ny ankampobeny ny haka fahefana ka ho tonga amin’ny hoe: kandida iraisana ve sa ho tonga amin’ilay sarisarin-teny tamin’ny toriteny hoe: esory aloha ny omby mitondraka dia ho hita eo ny tohiny avy eo? Etsy andaniny mantsy, misy ihany koa ireo mpanao politika te hamafa mafy ilay ambara fa fibahanan-toerana na ampihimamba politikan’I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, ka te hanao pasoka daomy hiezahana hamafa an’izany izay somary sarotsarotra. Tombatombana avokoa izany, fa andrasana izay ho fisehony sy ny akony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap