Miisa 73736 ny anarana na laharana karapanondro ahiana ho niverimberimberina na “doublons”. Anarana, fanampin’anarana, laharana karapanondro ny ankamaroan’ireo izay efa nahatratra 24503 raha ny tatitra. Nahatratra 249001 ihany koa ny tsy fahatomombanana na “anomalies” hitan’ny mpitsirika, izay nahitana laharana karapanondro, anarana, asa sy ny mombamomba ny mpifidy, tsy fahatomombanan’ny sonian’ny CLRE,… Nitondra soso-kevitra 49 hanarenana ny tsy fahatomombanana ireo mpitsirika ary nilaza fa azo ampiasaina ny lisitra rehefa voavaly ireo soso-kevitra. Efa manao ezaka ny CENI hialana amin’ny zavatra mampiahiahy, ka alefa any amin’ny distrika voakasika hoe: tena “doublons” marina sa dia zavatra mampiahiahy fotsiny. Raha tsy mitombina fa ahiahy, kanefa hofafana avy hatrany ilay olona, dia lasa very zo. Misy ny “anomalies” izay hafa ny voasoratra ao amin’ny fanisana, kanefa hafa ny voadika ao amin’ny solosaina, ka ezahina ny hampitovy ny ao anatin’ny taratasy fanisana sy ao anatin’ny “base des données” an’ny CENI, raha ny nambaran’ny Filohany Dama Andrianarisedo.
MILAMINA NY VOLA
Momba ny ara-bola hoenti-mikarakara ny fifidianana, nanamafy ny Filohan’ny CENI fa ny Fanjakana no tena tompon’antoka voalohany, fa tan-tsoroka ny an’ny mpamatsy vola, ary mbola tsy mikatona ny “basket fund”. Fiandrianam-pirenena io, ka raha tena misy ny elanelany dia tsy maintsy mandray ny andraikitra ny Fanjakana raha ny nambarany. Efa azo ampiasaina ny voasoratra tao anatin’ny LFI 40 miliara mahery miaraka amin’ny “basket fund” izay efa mihetsika amin’izao, miaraka amin’ny basket fund. Hatreto, 70 miliara Ar ny fandraisana anjaran’ny Fanjakana, 2,5 tapitrisa ny fandrotsaham-bola efa nataon’ny mpiara-miombon’antoka. Ny CENI no mahalala ny filàna sy mahita ny elanelana, ka azo ampidirina amin’ny “decret d’avance” ahafahana mamoaka vola ny elanelana, fa tsy mila manova lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. “Tsy misy mampiahiahy ny vola hoentina manao ny fifdianana, fa ny antso ataonay amin’ny antoko politika dia andao hiara-hientana hanentana ny mpifidy mba hampiakarana ny taham-paharisihana amin’ny fifidianana”, hoy ny Filohan’ny CENI. Efa nilaza ihany koa ny Solontenan’ny PNUD fa ny iraisam-pirenena no hiantoka ny fanontana bileta tokana ka atao inona marina izany ilay anto-bola 200 tapitrisan’ny kandida? Etsy andaniny, mandeha ny sakantsakana politika samihafa, tsy afaka mihaona amin’ny malalaka amin’ny mpomba azy na amin’ny faritra mifefy sy mihidy aza,… ka ny antokom-panjakana ihany no afaka manao izay tiany ka asa hoe: fanentanana tahaka ny ahoana no hanentanan’ny mpanao politika na kandida ny mpiara-dia aminy?
Toky R
Nahitsy ny Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM Hajo Andrianainarivelo
Hampivelatra ny toekarena sa sanatria Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny Minisitra
Nanao fampahatsiahivana sy fanentanana tamin’ny alalan’ny Sekretera
Marihina isaky ny 20 martsa tahaka izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.
Ny governoran’Analamanga no naneho hevitra fa mety amin’ny any atsimo ny tetikasa
Mitsidika eto Madagasikara eto Madagasikara manomboka anio 20 martsa hatramin’ny rahampitso