Isan’ny noraisiny ho ohatra ny zava-nisy tamin’ny diany Morondava izay antontan’isa 3 samihafa fa tsy nitovy ny an’ireo an-tanan-tohatra miantsoroka izany teny anivon’ny Komisionim-pifidianana teny anivon’ny Distrika, ny faritra, ary ny Foibe. Nisy fahadisoana ny an-dRtoa Lalao Ravalomanana, saingy nilaza ny Filoha teo aloha fa tsy ny tao amin’ny fokontany no nandiso azy, fa ny avy any amin’ny CENI mihitsy. Zavatra somary nahagaga ihany satria, olona tsy niova adiresy mihitsy, efa avy ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ary sarotra inoana hoe tsy fantatra ny mombamomba azy rehetra. Nanentana hatrany ny Malagasy moa i Marc Ravalomanana fa ilaina tena ilaina ny fanaraha-mason’ny rehetra. Nanome toromarika ireo mpikatrika TIM hanentana ny mpikambana hanara-maso ny lisitra, fa indrindra hitaky ny famoahana amin’ny peta-drindrina ny lisi-pifidianana i Marc Ravalomanana. Naneho hevitra momba ilay lahatenin’ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Rtoa Jocelyne Rahelihanta ihany koa I Marc Ravalomanana omaly, ka naneho fa tsy azo resahana amin’ny resaka fampielezan-kevitra mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana ny fandranitana adim-poko, na fihaviana na fivavahana, na koa firazanana na fampidirana harena. Tsy azo atao, tena fady satria samy manana ny safidiny ny olona ary malalaka tsara, hoy I Marc Ravalomanana. Nilaza handeha ho any Avaratra hijery sy hihaino ny zava-misy moa ity Filoha teo aloha ity.
Toky R
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika