nanitrikitrika fa nandà ny andraikitra maha Filoham-pirenena mpisolo toerana azy Atoa Herimanana Razafimahefa Filohan’ny Antenimierandoholona noho ny antony manokana. Milaza mihitsy ireto loholona ireto loholona IRD ireto fa tsy nisy tsindritsindry fa nahim-pony tanteraka. Fa angaha moa Atoa Herimanana Razafimahefa niteny fa ireto loholona no nanao tsindry fa tsy olona avy amin’ny governemanta? Milaza fa nanao fanadihadiana ireo loholona IRD ka nilaza fa tsy misy mitombina ny voalazan’ny Filohan’ny andrim-panjakana momba ny tsindry sy fanerena ary fandrahonana ho faty. Nilaza fa tsy nisy nahalala ny fisian’izany resaka fandrahonana izany ny tompon’andraikitry ny fiarovana, ary tsy nisy fepetra manokana noraisina nanamafisana ny fiarovana azy sy ny fianankaviany, ary ny zanany vavy dia nambaran’ireto fa efa ny volana aogositra no nalefa nianatra any ivelany. Nambara ho tsy manana fahamatorana ny Filohan’ny Antenimierandoholona ary mametra-panontaniana momba ny fahasalamany ara-tsaina moa ity filohana andrim-panjakana laharana faharoa eto amin’ny firenena ireto loholona IRD ireto. Milaza fa ho sarotra tokoa ny fiheverana hanakinana ny fitantanana ny firenena amin’ity farany amin’ny maha tompon’andraikitra mivadibadi-dela. Nilaza ho tsy maintsy mandray andraikitra ny loholona, ka niantso ny governemanta mba hampiantso fivoriana tsy ara-potoana maika mbba hahafahan’ny loholona mandray fepetra faran’izay haingana. Tsy vao sambany no nilazan’ny volomboasary mivantana na ankolaka fa tsy salama ara-tsaina ny olona mamoaka ny marina mombana fiainana mafia ataon’ny mpitondra satria efa nanaovana izany ihany koa ny Kolonely Charles Andrianasoavina rehefa nanao ampamoaka momba ny raharaha 2009 ary nandeha mihitsy aza ny teti-dratsy nifofoana ny ain’ity farany. Raha ny resaka mandeha moa, dia kasaina haongana tsy ho Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa izay loholona voafidy fa tsy voatendry, ary ny Jeneraly Ravalomanana no mety hasolo azy. Tsy vao mainka ve hampidedaka ny afo politika efa mirehitra? Mandra-pahoviana no handaitra sy hahomby ny sotasota politika?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny