airtel

Politique

07-août-2023

Politique

Loholona MMM Ndriana Rakotondraibe Nikarakara hetsika fizaham-pahasalamana

Sample post image

Nanomboka ny faran’ny volana Jolay 2023 teo dia nikarakara hetsika fisafoana sy fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny reny sy ny zaza ny loholona voafidy

07-août-2023

tamin’ny anaran’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM teto Antananarivo, Ndriana Rakotondrainibe. Hetsika izay natao hanampiana azy ireo manoloana ny fahalafosan’ny saran’ny fahasalamana sy hanamaivanana ny fiatrehan’izy ireo ny fahasahiranana amin’ny andavanandro izany, hoy ny fanazavana. Nanomboka teny Imerinafovoany, distrikan’Ambohidratrimo izany ny 28 sy 29 Jolay 2023 teo ary nitohy teny amin’ny “centre de santé” na foibem-pahasalamana eny Mamindra Aina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, izay toera-pitsaboana natsangan’ny MMM, ny 4 sy 5 Aogositra 2023 teo. Mbola ho avy ihany koa ny anjaran’ireo toerana hafa izay hisitraka ity hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap