airtel

Politique

30-janv-2024

Madagasikara tsy maintsy mandroso

Amin’ny tsy fahaiza-mitantana, tsy tan-dalàna, valifaty,… ?

Sample post image

Taorian’ny « fitiavana no lehibe indrindra » dia ny « Madagasikara tsy maintsy mandroso »

30-janv-2024

no noventesina sy natao litania tamin’ny resaka politika. Tsy misy fandrosoana mandehandeha ho azy izany, fa mitaky finiavana, fahavononana, asa, olona, ekipa, programa, fahintsiana,… Lainga sy famitaham-bahoaka ary mijanona ho fandokafan-tena ara-politika ny fivoizana an’io rehefa ilay fandrosoana sy fampandrosoana firenena mihitsy no tsy voafaritra mazava hifanaraka amin’ny filàna sy ny olan’ny firenena ny laharam-pahamehana. Mivadika ho politikan’ny haingo ambony tsikoko rehefa ny kirendrarendra sy ny seho ivelany no maika noho ny fitsaboana ny tena marary ny firenena sy ny vahoaka. Ny maika amintsika izao dia ny hoe : ahoana ny hafahafana mamokatra sy mihary an-kahalalahana mba tsy handaniana vola amin’ny fanafarana lava ? Ahoana ny hanarenana ny toekarena sy hampiakarana ny fahefa-mividin’ny Malagasy eo anatrehan’ny fidangan’ny vidim-piainana ? Ahoana ny hampitomboana ny famoronan’asa hahafahan’ny isam-batan’olona mamokatra sy mivelona ary miaina tsara? Ahoana ny hanarenana ny tontolon’ny fampianarana izay andry lehibe hampiakarana ny fahaiza-manao sy fananana olona tena afaka ny ho hery ho an’ny firenena fa tsy ho vesatra ? Ahoana no hahafahana mamadika ireo harena maro anananan’i Madagasikara mba tena ho hery ho an’ny firenena fa tsy malaza tsy hihinana ary ny vahiny sy olom-bitsy aza no mitavana azy ? Fototra lehibe ary isan’ny fanalahidy ho antsika ny fampianarana miompana amin’i Madagasikara satria rehefa hay sy voafehy io dia hay ho azy hoe : inona no mety sy tokony hatao ? Nampisokatra adihevitra marolafy mikasika ny fiainam-pirenena sy ny fitantanana firenena ilay karazana tsapan-kevitra nataon’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena mikasika ny fampianarana, izay nilazany fa 45000 ny zakan’ny tetibolam-panjakana kanefa 2 000 000 ka nilazany fa vonona hitondra anjara biriky ve ny olom-pirenena hanome dabilio ? Efa firifiry ny Ray aman-dReny manao tsipaipaika ho an’ny mpampianatra any ambanivolo any dia mbola sahy mitaky mivantana na ankolaka dabilio aminy ihany ve ? Toa maneho fa tsy mahalala sy tsy mahita ny tena zava-misy iainan’ny Malagasy. Mahavita mitrosa teleferika 153 tapitrisa dolara, mividy « logiciel » 14 tapitrisa dolara tolo-botsotra, kianja 77 tapitrisa dolara,… fa milaza tsy ampy vola hividianana dabilio. Hatramin’izao mbola any amin’ny fako tsy voaroaka, delestazy tsy voafehy,… ny adihevitra kanefa ny rendrarendra no mahamaika. Antananarivo aza tsy voafehy sy difotry ny fako mainka fa ny firenena ? Izany ve no atao hoe : fandrosoana? Mbola handroso i Madagasikara na ho ela na ho haingana fa tsy amin’ny alalan’izao endri-pitantanana izao angamba !?

KOLIKOLY, AMPIHIMAMBA, VALIFATY,…
Tsy hisy fandrosoana vanona ihany koa raha mbola ny kolikoly no ampanjakaina eto. Zava-misy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ohatra ny hoe : anarana andrim-panjakana mihitsy no hampiasaina amin’ny trafikana harena voajanahary tsy ara-dalàna fa moa tena afaka nanao ny asany ve ireo rafitra miady amin’ny kolikoly sa nijanona teo amin’ny fanadihadiana sy fakana am-bavany ? Ireny ren-tany ren-danitra ireny ny hoe : olona ambony akaikin’ny filoha faran-tampony no voasambotra tamin’ny kolikoly avo lenta tany ivelany dia iza ny mpampiasa vola sy mpiara-miombon’antoka hahatoky antsika ? Tsy hisy fandrosoana ao anatin’ny Fanjakana tsy tan-dalàna sy fitanilana eo amin’ny fampiharana ny lalàna. Mbola lafin-javatra hafa fototra iorenan’ny fandrosoana ihany koa ny fahalalahana ara-pihariana, fanamorana ny fahafahan’ny rehetra mihary am-pilaminana sy am-pahatoniana anatin’ny fitoviana ary tokony homena tombondahiny aza ny Malagasy, fa tsy ny vahiny no homena vahana hanao ampihimamba fa isika mifampisintona midina noho ny mety tsy fitovian-kevitra ara-politika. Mila mpitondra mipetraka ho mpampiombona sy mpampitambatra, fa tsy vao mainka hanome vahana ny fisaraham-bazana sy fifamaliana faty ara-politika lava eto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap