airtel

Politique

13-juin-2024

Mafampana ny raharaham-pifidianana

An’arivony ny fitoriana eny amin’ny HCC

Sample post image

Ny ampitson’ny famoahana vokatra vonjimaikan’ny fifidianana solombavambahoaka nataon’ny CENI omaly.

13-juin-2024

Eny amin’ny HCC ny mason’ny rehetra mikasika ny ho didy raikitra. Manana 48ora taorian’ny valiny vonjimaika ny kandida hametrahana fitoriana, ary manana eo amin’ny 16 andro ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC hamoahana izay vokatra raikitra izay. Fitoriana hatramin’ny 100 isa no voarain’ny HCC mikasika ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, raha ny vaovao nitsipalotra tamin’ny haino aman-jery iray omaly. Marina fa maherin’ny 27000 ny birao fandatsaham-bato, kanefa mitambatra sy ambany fiahiahiana distrika 120 no nanatanterahana ny fifidianana, ka raha tsinjaraina izany izany dia manome salanisa hatrany amin’ny 8 na 9 fitoriana isaky ny distrika. Izay tratra aloha no tratra, toy ny tamin’ny tanàn-dehibe samihafa, fa mety nisy ihany koa ny fanararaotana tany amin’ny faritra sasany. Taratry ny faharatsian’ny fifidianana tamin’ny lafiny maro io : tsy fanarahan-dalàna, hosoka, hala-bato, fanodinkodinana safidim-bahoaka, setrasetra politika, fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana,… Hatramin’ny Firaisamonim-pirenena aza nisy nametraka fitoriana. Ny kandidam-panjakana izay akaiky ny fahefana mibaiko ny rafi-panjakana samihafa toy ny lehiben’ny distrika sy Prefe nanana fahefana nanova sefom-pokontany, nampiasa ny anaran’ny filoham-pirenena izay andrim-panjakana, nampiasa mivantana na ankolaka ny fananam-panjakana sy volam-panjakana,… aza milaza fa niharan’ny hala-bato. Toe-draharaha izay toa manamafy fa tsy misy ny « crédibilité » na fananana antoka tamin’ny fifidianana farany teo ary tsy manana fahamarin-toerana na « légitimité » ireo ireo voafidy indrindra fa ny kandidam-panjakana. Dia samy miandry ny vokatra ofisialy ny rehetra ka isan’ny itodihan’ny sain’ny maro ny momba ireo raharaham-pifidianana mafampana toy ny ao Faratsiho, Antananarivo III, Morondava, Ambatofinandrahana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap