airtel

Politique

06-nov-2023

Mafana ny toe-draharaha

Tadiavina hoesorina ny mpiambina ny PAN…

Sample post image

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena, mandeha ny hetraketraka sy herisetra politika samihafa hoentina manao fandemen-tsaina sy fampihorohoroana.

06-nov-2023

Na mafy aza ny tsindry mahazo ny fitondrana izay nolovain’ireo olony tamin-dRajoelina sy heverina fa mbola mandray ny baikony, dia mbola mandeha ny karazana antsojay politika, ary ny heverina fa olona heverina ho avy amin’ny ankolafin’ny fitondrana aza toa lasibatra. Raha ny loharanom-baovao azo ny faran’ny herinandro teo mantsy, dia misy ny tsindry amin’ny fikasana hanesorana ireo mpitandro ny filaminana miambina ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa. Depiote mpiara-dia amin’ny fitondrana no voalaza fa isan’ny mikotroka an’io mafy mba hanaovana mihanjanja handemena azy, ka efa nisy hoy ny vaovao ny fampanatsoana tompon’andraikitra teo anivon’ity antenimiera ity. Volaza anefa fa tsy nanaiky ity farany amin’ny maha filohana andrim-panjakana azy. Tsy vao sambany ny tahaka izao, fa efa niharan’ny fandrahonana hanesorana ny mpiambina azy ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Herimanana Razafimahefa fony izy nitantana io andrim-panjakana io, ka nanameloka ny herisetra sy ny fampiasan-kery ara-politika. Niafara tamin’ny fanonganana azy, ary ny olona tsy nifankahazo taminy tamin’io resaka io no lasa nahazo ny toerany sy lasa filoham-panjakana vonjimaika. Taty aoriana, nijoro ihany koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena izay nanamafy fa tsy mety ny herisetra sy fampiasan-kery, mikitaontaona ny làlana mizotra makany amin’ny fifidianana, tokony hajaina ny fenitra sy ny sata ara-demokratika ary hajaina an-tsakany sy an-davany ny lalàmpanorenana. Midika zavatra be amin’ny politika sy ny jeopolitika ny fanatrehan’ireo masoivoho vahiny ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena ny volana oktobra teo. Vao andro vitsy no nandray sy nifampidinika tamin’ny avy amin’ny SADC sy ireo olobe samihafa ny Filohan’ny Antenimierampirenana ary nilaza fa mijoro ny fanelanelanana iraisan’io filohana andrim-panjakana io sy ny FFKM. Ny Fanjakana izay mitsipaka mafy ny hisian’ny fifandaminana politika, fa miziriziry amin’ny fifidianana izay mety hitondra amin’ny korontana. Fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe : ao anatin’ny fotoana toy izao no misy endrika mety ho fikitikitihana na antsojay amin’ity filohana andrim-panjakana ity izay hany voasokajy ho ara-dalàna ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap