an’i Mahery Lanto Manandafy ka nanaovana fanadihadiana azy teny amin’ny sampana heloka be vava Fiadanana omaly.Tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no nigadona teny ny lehilahy sy ny mpisolo vava ary ireo mpanotrona azy io omaly io, naharitra 1 ora sy 30 minitra ny fakana am-bavany teny Fiadanana avy eo dia nentina indray teny amin’ny Toby Ratsimandrava i Malama. Nisy araka ny fantatra ny resadresaka nifanaovany tamin’ireo tompon’andraikitry ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny Toby Ratsimandrava .Fanontaniana tsotra no napetraka tao amin’ny facebook, hoy i Mahery Lanto Manandafy hoe : iza moa ny infocommseg, ny manontany anaran’olona ve midika ho ompa sy fanivaivana rafitra, hoy izy. Izaho tsy nanamavo ny zandary izany ary tsy nitarika ny olona hankahala zandary tao amin’ny facebook izany mihitsy hoy Mahery Lanto Manandafy raha nanontanian’ny mpanao fanadihadiana teny Fiadanana izy araka ny tatitra fohy nataon’ny Me Maka mpisolo vava azy. Nahitsy ihany koa i Malama omaly mialoha ny niatrehany ny mpanadihady teny Fiadanana ary nilaza fa “ diso izay mieritreritra fa izao fandrirarirana izao no hahafay ahy”. Afaka mifandamina isika rehefa hifandamina ary afaka mifanakorontana ihany koa hoy izy. Raha ny zava-nitranga omaly sy ny firesaky ny voakasika dia tahaka ny hoe tsy hitohy intsony ny raharaha, izany hoe tsy hiakatra eo anivon’ny fampanoavana.Ny ampitso ihany anefa no hilaza izay tena marina, fa hatreto aloha izany dia manizingizina I Mahery Lanto Manandafy fa tsy izao antsoina sy atao fanadihhadiana avia avanana izao mihitsy no hampangiana na hampipetraka azy fa rehefa misy ny tsy mety, misy ny tsy rariny dia tsy maintsy resahana.
RTT
.
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny