airtel

Politique

07-août-2024

Mailo ny Fiadidian’ny Repoblika

« An’i Romy Voos irery ireny teny nolazainy ireny »

Sample post image

Manoloana ny fanambarana nataon'i Romy Voos Andrianarisoa, Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika

07-août-2024

teo aloha tao amin'ny TV5 Monde ny faran'ny herinandro teo, nilaza ny fitondrana fa miandry vaovao fanampiny, mialohan’ny hilazany ny heviny. “Ny zavatra voalazany tao amin'ny TV5 Monde dia momba azy irery sy ny tenany ihany ary tompon’andraikitra amin’izay noteneniny izy”, hoy ny resaka nataon-dRtoa Lova Ranoromaro, mpitondra tenin'ny filoham-pirenena sady Talen'ny raharaha iraisam-pirenena ao amin'ny fitondrana, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray. “Miandry ny vaovao ofisialy avy amin'ny governemanta britanika sy ny fanapahan-kevitra hotanterahiny izahay. Hatramin'izao dia tsy mbola nahazo vaovao izahay,” hoy izy. Nambara fa tsy misy ifandraisany amin'ny Filoham-pirenena ny fihetsiky ny Tale kabinetra teo aloha. Efa noraisin’ny manampahefana britanika ny andraikitra, ary efa nisy didim-pitsarana. Milaza ho nahita ny zava-mitranga amin'ny tambajotra sosialy tahaka ny rehetra fa tsy mbola manana vaovao ofisialy ny Fiadidian’ny Repoblika. Mbola maniry ny hiandry ny fanambarana ofisialy avy amin'ny manampahefana britanika ny fitondrana satria nambara fa mifanerasera amin'ny alalan'ny ministeran'ny Raharaham-bahiny, ary ny manampahefana britanika dia nanao antoka fa handray tanteraka ny andraikitra amin'ity raharaha ity. « Tsy fantatra raha tena nodiovina tanteraka i Romy Andrianarisoa na ahoana fa miandry ny Fanjakana Malagasy ka ho hita eo,” hoy i Lova Ranoromaro. Nolazaina fa ny filoham-pirenena dia miady tanteraka amin'ny kolikoly amin'ny endriny rehetra, araka ny hita amin'ny seranam-piaramanidina amin'izao fotoana izao. Raha hiverenana, dia isan’ny nolazain’i Romy Voos Andrianarisoa, fa fifampiraharahana ara-dalàna momba ny fampiasam-bola sosialy eto Madagasikara io. Ny fampiasam-bola ao Madagasikara dia misy ny fampiasam-bola ara-tsosialy atao ankoatra ny tena tetikasa tena ifotorana, raha ny nambarany, izay mampitombina fa efa fomba fiasan’ity Fitondrana ity izany ny fitakiam-bola be amin’ny mpampiasa vola. Nilaza noho izany i Romy Voos Andrianarisoa, fa fifampiresahana mikasika izay fampiasam-bola ho an’ny sosialy no nataony. Izy ireo izay nangataka vola 260 000 euros sy fandraisana anjara 5 % amin'ny renivolan’ny Gemfiels, tambin’ny fahazoan-dàlan’ny Gemfields hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Nilaza ho mitazona fa nanana fifandraisana mahomby tamin'ny filoha Rajoelina izy, ary vonona hody aty Madagasikara hitondra ny anjara biriky sy ny fahaiza-manaony ho an’ny fampandrosoana. Mailo kosa ny Fiadidian’ny Repoblika, ary tsy te haloto, ka io maneho io fa azy irery ny teny navoakan’i Romy Andrianarisoa.
Toky R
Sary fanehoana.
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap