Firaisankinan’ny Tia tanindrazana na FTT, antoko politika Anjomara sy rivo-baovao na ARB, antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM, Malagasy miara-miainga na MMM, vovonana politika sy fikambanana ary antoko politika maro mitotaly 12 isa fa mampivarahontsana ny fivoaran’ny toe-draharaha mifandraika amin’ny fampiharana lalàna sy ny politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Melohinay tanteraka, hoy izy ireo, ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC izay manaiky ny firotsahan’ny filoham-pirenena farany teo Andry Rajoelina amin’ny fifidianana atao ny 9 novambra izao indray. Nodinganin’ny HCC ihany koa ny andininy faha 67 amin’ny sata mifehy ny zom-pirenena malagasy, izay manery azy hanome ny antotan-taratasy mifandraika amin’izany ho dinihin’ny tribonaly miadidy izany na “tribunal de première instance” eto Antananarivo. Tribonaly, hany tokana mahefa hitsara momba ity raharaha mahakasika zom-pirenena ity. Melohinay marindrano koa ny fanapahan-kevitry ny HCC izay nanaiky ny taratasy fandavan’ny filohan’ny antenimieran-doholona ny toerana maha filoham-pirenena mpisolo toerana. Miendrika fanonganam-panjakana anaty na fanonganana andrim-panjakana niraisan’ny praiminisitra sy HCC tsikombakomba izany. Melohinay toy izany koa ny fanomezana ny governemanta hiaraka hitantana ny firenena ho takalon’izany. Takiana ny fanoloana ireo mpikambana miisa 9 eo anivon’ny HCC, noho izany, satria notendrena hiaro toy ny anak’andriamaso ny lalàmpanorenana izy ireo saingy nanolana izany tamin’ny fomba maha menatra, hoy hatrany ny Fivondronamben’ny malagasy manohitra ny jadona ao am-pitan-dranomasina ao.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby