airtel

Politique

22-juin-2023

Politique

Malagasy miara-miainga Niantso ireo manan-kevitra hamonjena ny firenena

Sample post image

Taorian’ny distrikan’Ihosy, renivohitry ny faritra Ihorombe, nanohy ny diany nihazo ny faritra Anosy ny delegesiona notarihin’ny filoha nasionalin’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo.

22-juin-2023

Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpitarika sy mpikambana eo anivon’ny antoko entina hampiroboroboana sy hanitarana hatrany ny habaindain’ny antoko ety ifotony. Isan’ireo nitafa mivantana tamin’ny filoha nasionalin’ny antoko, araka izany, ny tao amin’ny distrikan’i Betroka, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nihaino ny filohan’ny antoko ary nifampizara tamin’izy ireo ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao. Teo ihany koa ny fampahatsiahivana ny vina sy ny fotokevitry ny antoko. Tsy hisy fampandrosoana ho vanona raha tsy apetraka sy mihatra araka ny tokony ho izy ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny filohan’ny MMM, ary eo anivon’ny antoko dia efa misy ny fampiharana izany hatramin’ny nijoroany. Tsy latsa-danja amin’izany ny fitsinjaram-pahefana entina hitantanana ny firenena. Ilaina ny fanatevenana ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny ifotony, manomboka amin’ny sefo fokontany. Omena ny andraikitra izy ireo ary arahina fampitaovana sy hoenti-manana mifanaraka aminy hisian’ny fampandrosoana. Taorian’ny tao Betroka, nihazo ny kaominina Isoanala ny delegasiona nihaona tamin’ireo mpikatroky ny antoko. Nandray andraikitra tamin’ny fanaraha-maso sy ny fanentanana ny olona hisoratra sy hanamarina ny anarany tao anatin’ny lisi-pifidianana ireo mpikamban’ny antoko. Hitohy ny fitsidihan’ireo mpikamban’ny antoko, hoy ny birao politikan’ny MMM. Tsy ho adino ihany koa ny fihaonana amin’ireo vahoaka liana amin’ny fotokevitry ny antoko sy ireo manana hevitra sy fomba fijery entina manavotra ny taninjanaka izay latsaka an-katerena ankehitriny, hoy hatrany ny MMM, niantso ireo manan-kevitra hamonjena ny firenena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap