Hajo Andrianainarivelo, omaly nandritry ny fivoriana narahana adihevitra niarahan'ny MMM sy ireo vahoaka tany Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Ny fifidianana no tokony atao izay hampadio azy, hoy izy, ahafahan'izay filoha vaovao mampandroso ny firenena. Isan'ny fanontaniana niverimberina napetrak'ireo vahoakan'Ambatondrazaka, renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro nandritry ny fivoriana narahina adihevitra niarahana tamin'ny MMM ny momba izay mety ho firosoana amin'ny fitondrana tetezamita izay. Ambatondrazaka izay fantatra amin'ny famokarana vary saingy tsy mitsaha-mihena ny vokatra, hoy ireo tantsaha noho ny tsy fijeren'ny mpitondra ny foto-drafitr'asa. Raha mipetraka ny fitsinjaram-pahefana, apetraka amin'ny toerany sy omena fahatokisana ny olona eny ifotony, olana maro no voavaha tsy hiandrasana ny fanjakana foibe, hoy ihany ny filoha nasionalin'ny MMM. Fotoana izay nihainoan'ny filoha nasionalin'ny MMM ny maharary ny vahoaka, sy niarahana nitady vahaolana momba ny fampananan'asa ny tanora, ny sehatry ny fampianarana, ny tsy fahampian'ny fotodrafitr'asa eo amin'ny sehatry ny fambolena, ny olana eo amin'ny lalam-barotra, ny vidim-bokatra tsy mifanaraka amin'ny masokarena lanin'ny tantsaha sy ny maro hafa moa ity fotoana ity, raha ny fampitam-baovao. Fotoana ihany koa nanentanan'ny antoko ny olompirenena hanaraka akaiky ny zotram-pifidianana, hanoratra sy hanamarina ny anarana ao antin'ny lisi-pifidianana, raha ny tatitra voaray hatrany.
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny