tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Malagasy miara-miainga « Tokony ho tontosaina amin’ity ny fifidianana kaominaly »

Nampahatsiahy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM fa ny 14 aogositra 2019

07-mars-2023

Sample post image

ity praiminisitra ity sy ny governemantany tamin’izany nandritry ny filankevitry ny governemanta tamin’io fotoana io fa hatao ny 27 novambra 2019 ny fifidianana kaominaly. Ny governemanta malagasy tamin’ny alalan’ny toekarena sy famatsiam-bola ary ny CENI no namatsy ny 83,2%n’izany fifidianana izany, hoy ity antoko ity. Ny basket fund, izay tetikasan’ny SACEM ao amin’ny PNUD kosa no namatsy ny 16,8% izay mitentina 35 miliara Ariary. Ny 23 febroary 2023, ny filoha lefitry ny CENI dia niaiky teo imason’ireo haino aman-jery fa tokony ho tontosaina amin’ity taona ity ny fifidianana kaominaly. Efa natao izany raha ampy ny fepetra rehetra raha ny fanamarihany. Ny andininy faha 240 ao amin’ny lalana 2014-020 dia maneho fa ny ben’ny tanana sy ireo tomponandraikitra eny ifotony dia natao ho fidiam-bahoaka anatina fe-potoam-piasana mandritry ny 4 taona. Ny fifidianana filohan’ny repoblika, depiote, loholona ihany no tokony ho tanterahana amina daty samihafa, hoy ny andininy faha 51 ao amin’ny lalana 2018-008. Tokony atao amin’ity, noho izany, ny fifidianana kaominaly. Tsy izay anefa no misy satria ny lalana mifehy ny tetibola ankehitriny dia tsy mamaritra afa-tsy ny fifidianana filoham-pirenena. Satria ny andininy faha 65 ao amin’ny lalampanorenana manome fahefana ny lehiben’ny governemanta amin’ireo mpikamban’ny governemantany sy ireo sampan-draharaha mikasika izany dia miantso anareo izahay hanao izay hahatomombana ny famatsiana rehetra hahatontosa ny fifidianana kaominaly amin’ity 2023 ity, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus