Tsy ara-dalàna ny fifanarahan’ny CENI sy ny eo anivon’ny Fivondronan’ny mpandraharaha na FIVMPAMA amin’ny fandefasana mpanisa mpifidy eny anivon’ny orinasa ho an’ny sehatra tsy miankina , hoy izy, tetsy Analakely omaly. Mazava ny voalazan’ny lalàna amin’ny famerana ny fanisana mpifidy ho eny anivon’ny fokontany na ao amin’ny tokantrano ihany. Tokony hiarahana hatrany amin’ny vaomiera mpanisa mpifidy eny ifotony na CLRE ahitana ny solontenan’ny fokontany, mahalala ny mponina sy ny tena mpifidy eo aminy izany fa tsy izao fomba fiasa izao. Tsara ilay finiavana saingy tokony hanaraka ny lalàna hatrany isika amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao. Antso fanairana ny CENI izao atao izao mba hisorohana ny ahiahy. Tsy ho tratra ara-potoana ny hetsika fanavaozana ny lisi-pifidianana. Maherin’ny 8% ny hany vita tao anatin’ny iray volana. Tokony hifarana ny volana desambra izany. Tombanana tsy hihoatra ny 24% izany amin’io fotoana io, raha izao hafainganam-pandehan’ny CENI izao. Takian’ny MMM ny hitsirihana sy hanaovana fanadihadiana mahaleo tena momba ilay rindrambaikon’ny Ceni na « Logiciel» efa lany daty kasaina mbola hampiasaina amin’ny fifidianana ho avy eo, hoy hatrany ny fanazavana voaray omaly.
J. Mirija
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika