maromaro toa an-dry Ambondrona, Oladad, Mahaleo, Majeur 7 Kobaha, Mami Bastah, Rija Ramanantoanina. I Tahina no hitanay fa hany kandida ho filoham-pirenena manana vina mifanojo amin’ny zavatra noresahanay an-kira tao anatin’ny 51 tao hoy i Dama Mahalaeo. Mpinamana efa hatramin’ny taona 2004 tany ho any izahay sy i Tahina , ary olona tena tsotra sy tia manampy naman izy ka tsy misalasala raha misy azony atao.Olona tena tsotra tsy manasaro-javatra fa tonga dia mikroka vahaolana raha misy ny olana. Matoa aho tonga eto dia resy lahatra izany fa hahavita zavatra tsara sy hanasoa ny Malagasy i Tahina, hoy i Rija Ramanantoanina. Tahaka izay ihany ny faharesen-dahatry ry Oladad, anisan’ireo tarika manana ny maha izy azy eto Madagasikara, tena mifanojo ny eritreritra sy ny fomba fijery , hoy izy ireo ka izany no mahatonga anay hiara-dia amin’i Tahina Razafinjoelina. Ny Dama Mahaleo moa no nanoratra ary nanome maimaimpoa ny hira : « Avia Mandrosoa » ho fampitana amin’ny mpiray tanindrazana ireo vina sy hafatra ka miaraka mivazo aminy ao anatin’izany ry Oladad sy Ambondrona.
RTT
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany