Fihaonana izay nentina nampahafantarana ny maha “Consul honoraire”-n’I Côte d’Ivoire an’Atoa Maminiaina Ravatomanga, mpandraharaha Malagasy isan’ny mpanefoefo eto Madagasikara. Fotoana io nentina nanamafisana ny fahavononan’ny firenena roa tonta hiara-hiasa, hoy ny tatitra. Nambara fa dingana manan-danja mba hampiroboroboana ny fiaraha-miasa hisian’ny tombotsoa iraisana ity fanendrena ny Kaonsilà vaovao ity, ary hijerena sy hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-stratejika. “Tamin-kafaliana sy voninahitra no nanekeko, ho voatendry ho “Consul Honoraire”-n’i Côte d’Ivoire eto Madagasikara. Vonona tanteraka aho hanampy ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Fitondram-panjakan’i Côte d’Ivoire, hanamafy hatrany ny fifandraisana ara-pirahalahiana eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny maro, indridra eo amin’ny fifandraisana ara-ekonomika. Mankasitraka an’Andriamatoa Filoha Alassane Ouattara sy Andriamatoa Ambasadaoro Sakaria Kone amin’ny fahatokisany”, hoy Atoa Maminiaina Ravatomanga tao amin’ny pejin-tseraserany. Tsara moa no mampahatsiahy fa efa avy Kaonsilàn’I Serbie io mpandraharaha mpanefoefo io.
Toky R
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny