airtel

Politique

24-nov-2023

Mampihongo Roberto Carlos

Nahitana diam-bala 7 ny vatany, tapaka ny tanany sy ny tongony

Sample post image

Omaly no nivoaka ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA no nofo mangatsiakan’i Mampihongo Roberto Carlos,

24-nov-2023

anisan’ireo 5 lahy voatifitra teny Andohan’i Mandroseza ny talata atoandro lasa teo. Nisy ny fizahana ny razana na autopsie natao ka fantatra nandritra izany, raha ny filazan’ny fianakaviany fa nisy diam-bala miisa 7 ny vatan’itompokolahy, hita ho tapaka ihany koa ny tanany sy ny tongony ary hita ho voa mafy ny taolana teo amin’ny lohany. Tahaka ny hoe voadaroka sady voatifitra ny havanay, hoy ny fianakaviany. Fantatra ihany koa fa i Mampihongo Roberto Carlos no namily ilay fiara Toyota Land Cruiser II , izay nampiasainy amin’ny naha tompon’andaikitra ambony azy teo anivon’ny INSTAT moa.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap