ary mamita ny fe-potoana voafaritr’ireo lalàna velona alohan'ny fifidianana 2023. Nilaza fa mizaka tanteraka ny zom- pirenena Malagasy feno ary tsy nanary izany an-tsitrapo velively, ka noho izany ara-dalàna sy ara-drariny tanteraka ny maha Filoham-pirenena azy nanomboka ny 18 janoary 2019 ka hatramin'izao, satria ihany koa ny andininy faha-46 ny Lalampanorenana dia milaza mazava fa "izay olona rehetra milatsaka hofidiana ho Filohan'ny Repoblika dia tsy maintsy mizaka ny Zom-pirenena Malagasy, misitraka ny Zon'ny isam-batan'olona sy ara-politika", hoy hatrany io fanambarana io. Nanitrikitrika fa nahafeno, mahafeno tanteraka ireo fepetra voalazan'ny lalàmpanorenana, raha toa ka hemetraka ny filatsahany ho fidiana indray ho Filohan'ny Repoblika izy amin'ity taona 2023 ity. Nangataka hatrany ny hirotsahan-dRajoelina indray. Niezaka nandrirotra ny voalazan'ny andininy faha-45 amin’ny Hitsivolana 60-064 ny 22 Jolay 1964 fa "fangatahana an-tsitrapo mivantana amin'ny Governemanta Malagasy ataon'ny olona mizaka ny Zom-pirenena Malagasy irery ihany no maha very ny fizakana ny Zom-pirenena Malagasy azy ary izany dia havoakan'ny Governemanta Didim-panjakana (Décret) mazava izay vao very ny Zom-pirenena Malagasy an' ilay nanao fangatahana". Nosokajiany ho fanakianana tsy mitombina moa ilay andininy faha-42 hoe: "ny Fahaverezan'ny Zom-pirenena Malagasy ho an'ny Malagasy iray feno taona ka nangataka ny Zom-pirenena vahiny" ka nilazana fa tsy maintsy vakiana miaraka amin'ireo andininy manaraka rehetra, andininy faha 43 hatramin'ny faha 50. Nisambadidaka tanteraka moa ny olon’ny fitondrana tamin’ny fiarovana an-dRajoelina, ka tao no nilaza fa nolovaina tamin’ny razambe na par “filiation”, tao no niteny fa “par affiliation”, tao no naneho fa “par diplomatie”, tao ny niantso fampiatoana ilay lalàna,... Ny atao hoe “Français par filiation” dia zanaka Frantsay izany ilay olona dia mampita ho azy amin'ny zanany ny zom-pireneny. Efa nivoaka ny porofo kosa fa “naturalisation” ny nahazoan -dRajoelina ny zom-pirenena vahiny ananany ary mazava ny lalana, andiny fahaa-42 sy 43 fa very avy hatrany ny zo maha malagasy anao, raha olona feno taona ianao no mangataka zompirenena vahiny », hoy moa Rtoa Fanirisoa Ernaivo Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara teo aloha. Io mpitsara teo aloha sady mpanao politika io, izay nilaza fa tsy resaka olona no mampisarovorovo eto fa resaka fampiharana lalàna tsotr’izao fotsiny ary lalàna manan-kery no mbola misy fa tsy afaka dingadinganina hoe : ity lalàna ity ampiasaina ary ity anakiray ity tsy ampiharina.
Toky R
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika