airtel

Politique

31-janv-2023

Politique

Manda Ravelojaona “Tokony hampanakaikezina vahoaka ny vata fandatsaham-bato”

Sample post image

Matetika isika mahita hoe ambany ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny antoko politika Tanora malagasy vonona na TGV ao amin’ny distrikan’Anjozorobe,

31-janv-2023

Manda Ravelojaona, nanentana ny olompirenena handray ny andraikiny amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo fifidianana hoavy. Tokony hampanakaikezina ny vahoaka, hoy izy, ny vata fandatsaham-bato. Izany hoe tsy hijanona eo anivon’ny fokontany fotsiny fa manana fotodrafitrasa ny fanjakana, ohatra hoe ireny EPP na “école communautaire” eny anivon’ny vohitra ireny mba tsy handehanan’ilay mpifidy manao 12 km, raha tsy hiteny fotsiny aho ho an’iny distrikan’Anjozorobe iny. 6km no ataony mandroso ary 6 km miverina raha handatsa-bato izy. Tokony hampanakaikezina ny vahoaka ny vata fandatsaham-bato. Tsy mety intsony izany ilay hoe eo amin’ny renivohitry ny fokontany no asianao biraom-pifidianana miisa 4 fa mba eritreretina ireo 4 ireo dia mba miparitaka ao amina tanana manana mpifidy miisa 300 mahery. Milatsaha ho fidiana dia rehefa tonga eo ianao manova ny zava-misy fa ny fakana fahefana tsy amin’ny alalan’ny fifidianana dia mety hiteraka korontana vaovao indray ho an’ny vahoaka malagasy izay hita fa efa miha reraka amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap