airtel

Politique

30-juil-2024

Mandeha foana fa tsy hita izay vokatra

Any Guinée-Bissau sy Angola indray ny Filoha mivady

Sample post image

Taorian’ny diany tany Lafrantsa, dia niazo an’i Afrika Andrefana indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

30-juil-2024

Manao fitsidihana ofisialy any Guinée-Bissau mandritra ny roa andro, ka efa nigadona tany an-toerana omaly tolakandro. Voizina mafy, fa mpiaro ny tombotsoan’ny Firenena Afrikanina sy mpitondra tenin’ireo Filoha Afrikanina i Andry Rajoelina. Nambara fa fanomezam-boninahitra sy fahatokisana, ary fanamafisana ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-panjakana eo amin’ny tany roa tonta izao. Omem-boninahitra, omena ny fanalahidin’ny tanànan’i Bissau renivohitra,… Tsara ny mampahatsiahy, fa anisan’ireo firenena nomena ny tambavy organics izay nolazaina fa hanavotana izao tontolo izao i Guinée-Bissau. Aorian’io, dia hitsidika an’i Angola ihany koa i Andry Rajoelina mivady, ka hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toekarena, araka ny seraseram-panjakana. Ny Filohan’i Angola moa amin’izao no mitantana ny SADC (Southern African Development Community).Hisy ny fifanaovan-tsonia mikasika ny harena an-kibon’ny tany sy ny angovo, raha ny seraseram-panjakana. Ny Filohan’i Angola izay isan’ireo niatrika ny fianianan’i Andry Rajoelina teny Mahamasina tamin’ny desambra 2023. Handray fitenenana ao anivon’ny parlemantera Angolais izay ao anatin’ny fotoam-pivoriana i Andry Rajoelina ny 01 aogositra. Zava-dehibe ny fanomezam-boninahitra ny Filoha Malagasy etsy sy eroa ary isan’ny lalaovin’ny fitondrana mafy amin’ny serasera rahateo io. Fanontaniana mipetraka mandrak’androany kosa na izany aza ny hoe : inona no tena vokatra mivaingana nentiny sy hoentiny ho an’ny Firenena ? Toa lasa fitsangantsanganana no betsaka raha tarafina amin’ireo efa hita sy nanaovana serasera nipoapoaka. Moa tsy tari-bato vilam-bava ve no betsaka raha tarafina amin’ireo kabary samihafa amin’ny filazana fa miady ny tombotsoan’i Afrika ? Anisan’izany ny filazan’i Andry Rajoelina volana maromaro lasa izay mandany amina miliara dolara ny firenen-dehibe hanaovana ady kanefa tokony haompana amin’ny fandresena ny kere aty Afrika ? Ny fitantanana eto anefa zavatra kirendrarendra no betsaka fa ny tena ady amin’ny hanohanana sy ny mosary tsy tena mafonja hany ka voasokajy ao anatin’ny tondro maneran-tany momba ny hanohanana ho firenena faha-124 amin’ny 125 misarena indrindra i Madagasikara. Nolazaina anefa tombondakan’ny fanjarian-tsakafo ! Lazaina fa tombondakan’ny indostria kanefa ny seha-pihariana maro aza potiky ny delestazy, ary toa hanaovana serasera fa hiara-hiasa amin’ny resaka angovo izay Firenena tsidihina,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap