sy ny tsy miankina miara-dia aminy omaly, notronin’ireo depiote IRMAR sasany avy amin’ny toeran-kafa. Nilaza fa tsy azo ekena ny fambolena korontana sy fandrebirebena ny saim-bahoaka, ka ny fiandrasana ny tetiandrom-pifidianana no hampilamina. Efa mandeha ny asa fampandrosoana any amin’ireo distrika ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra ka tokony hitohy izany, hoy ireto olom-boafidy volomboasary ireto, izay niarahaba ihany koa ny an-dRajoelina Filoha ankehitriny tamin’ilay amboara niteraka resabe. « Ny fiandrasana ny tetiandrom-pifidianana hampisy ny filaminana, antoka handrosoan’ny Firenena. Lavinay marindrano, ary toherinay amin’ny herinay rehetra ny mety ho fambolena korontana na fandrebirebena saim-bahoaka eto amin’ny tany sy ny Fanjakana tsy hampisy fitoniana sy fiarahamonina milamina. », hoy ny fanambarana novakian’ny Depiote Razafimahefa Tianarivelo. Miverina indray izany ny fanambarana enti-maneho fanohanana ny Filoham-pirenena sy ny ekipany, ny karazana fampitandremana, ny fanasokajiana ny hafa ho mpanakorontana sy mpanadala saim-bahoaka,… Mahatsiaro ho ao anaty ambana ve ny Fitondrana volomboasary ka na efa mampiasa basy aman-tafondro, mampiasa lalàna hangejana ny fahafahana manao hetsika politika, misambotra, managadra,… aza mbola mandeha ny fampitenenana ireo lazaina fa solombavambahoaka ? Asa mbola solombavambahoaka sa solombavam-panjakana ? « Lojika ny fifampiarovana amin’ny maha iray vovonana sy vondrona politika amin’ny fahefana mpanatanteraka saingy mety tsara kokoa ny mangina noho ny « fisolelahana manara-penitra » ka minia mikipy eo anatrehan’ny fahoriam-bahoaka », hoy ny olom-pirenena. Nolazaina fa ny tombotsoan’ny vahoaka no imatimatesan’ny depiote IRMAR ka tombotsoam-bahoaka amin’ny inona no arovana eo anatrehan’ny finiavana hikipy manoloana ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana ankehitriny ? Miharihary hatrany ilay hoe : potiky ny fanompoana tsangan’olona ny Firenena, ka na efa iaraha-mahita izao aza ny tsy fahombiazan’ny Filoham-pirenena sy ny ekipany dia tsy maintsy arovana sy tehafana satria tsy maharo ilay Fanjakana ny lazaina fa fampandrosoana vitany. Asan’ny solombavambahoaka ny miahy sy mitondra ny teny sy hetahetam-bahoaka any amin’ny fahefana mpanatanteraka, manara-maso ny asan’ny mpanantanteraka, manolotra tolo-dalàna sy lalàna ary mandany izany ho an’ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka, mandinika sy mandany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana,… Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana (andininy faha-68 amin’ny lalàmpanorenana) fa moa tena manao izany ve ireo depiote IRMAR ? Mba nisy 10% tamin’ireo ve sahy nijoro sy nanery ny mpanatanteraka hamaha ny olana ara-tsosialy samihafa, ny fidangan’ny vidim-piainana, delestazy,… Moa mba nisy sahy nijoro nanokatra fanadihadiana parlemantera momba ireo raharaha kolikoly sy fitantanana tsy mazava samihafa ?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,