Raha miha mangotraka sy mitombo ny vesatra hanenjehan’ny Fanjakana ankehitriny ny Kolonely Patrikck Rakotomamonjy, dia niditra an-tsehatra namoaka fanambarana miantso ny hamelana azy ny depiote Antoine Rajerison omaly. Amin’ny maha mpiara-mitolona azy amin’i Colonel Patrick, raha ny nambarany no antony anaovany fangatahana. « Araka ny nambaran’ny vadiny androany, dia misedra fijaliana lehibe sy olana ara-pahasalamana i Kolonely Patrick amin’izao fotoana iainany any am-ponja izao. Efa 15 andro ihany koa no tsy nahafahan’ny vadiny namangy azy sy nanome azy sakafo mivantana », hoy io depiote io. Noho izany, mangataka amin’ny tompon’andraikitra ity depiote ity mba hanomezana alalana malalaka ny vadiny ahafahany mamangy, manome sakafo ary mikarakara azy, ary raha ilaina dia mitondra azy any amin’ny hopitaly, mba hahazoany ny fitsaboana sahaza ny aretina mahazo azy. «Mangataka aminao manokana ihany koa aho, Atoa, Filohan’ny Fanavaozana, amin’ny maha mpiandry sy olon’Andriamanitra anao, mba hamela izay mety ho helony. Asehoy amin’ny famelan-keloka ny halehiben’ny fonao sy ny fitiavanao. Aza avela ho faty irery any am-ponja any ny rahalahinao. « Frère d’arme »-nao izy, sady « promotion » iray ianareo. », hoy hatrany ny depiote Antoine Rajerison. Nilaza ity farany, fa raha misy olona tokony hifamela amin’izao fotoan-tsarotra izao, dia ireo miaramila roalahy ireo, ka nilazany ny finoany fa hampifaly sy hampitony ny fon’ny maro izany famelan-keloka izany. Kolonely Patrick dia anisan’ireo nijoro sy niara-nitolona tamintsika, niaraka tamin’ireo tanora maro, ary nandray anjara tamin’ny tolona izay nitondra izao Fanavaozana izao, koa rariny loatra raha jerenao manokana izy amin’izao fotoan-tsarotra lalovany izao, hoy hatrany ity depiote ity. Mbola notsindriany ny hoe : « amin’ny maha mpiandry sy olon’Andriamanitra anao », dia aoka ny famindram-po, ny fitiavana ary ny famelan-keloka no handresy. « Mamelà azy. Efa nigadra ihany koa ianao teo aloha, ary nisy namindra fo taminao nahafahanao nivoaka. Koa mba omeo azy koa izany famindram-po izany ankehitriny. », hoy ny depioten’Arivonimamo. Tsara ny mampahatsiahy, fa nandrahona ny Fanjakana, nilaza fa « samy miaramila ka tsy mifampatahotra ».
HENJANA NY VESATRA, TSY MITOVY NY TADIN-DOKANGA…
Voampanga tamin'ny fandrahonana filoham-panjakana, fanohintohinana ny filaminana anatiny, ary fanakorontanana saim-bahoaka ny Kolonely Patrick, izay voasambotra sy naiditra am-ponja ny volana aprily 2026. Taorian’ny fanesorana azy tsy ho Talen’ny fandraisana fitarainana teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny 20 janoary 2026 no nanomboka nampiaka-peo, nanao karazana ampamoaka miampanga ny Fanjakana sy mpitondra ambony maromaro ity manamboninahitra ity. Isan’ny nisongadina ny nilazany ny 11 martsa 2026 nandrahona ny PRRM hoe : "Misy fitaovam-piadiana aty amiko, ianareo sy Kolonely Gervais ihany no namatsy azy, andramo kitihina ihany ny fiainankaviako ». Voasambotra izy ny tapaky ny volana aprily ary nalefa any Tsiafahy. Vao tao anatin’ny tapa-bolana lasa no nivoaka ny dosie mikasika ny fikotrehana hamaky sy handoro fonja, ny fampiasana finday sy fifampiresahana hafahafa, ny fifandraisana taman’olona avy aty ivelany ka namoahana didy fampikarohana mpitsabo iray,… Henjakenjana ny vesatra hanenjehan’ny Fanjakana Fanavaozana ity Kolonely malaza ity. Andaniny, ny depiote Rajerison Antoine dia isan’ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny Fanjakana ankehitriny, nitory teny amin’ny HCC ny 13 mey 2026 mba hamerenana ny fahefana amin’ny sivily,… Andaniny, nametraka fanaraha-maso ara-ketra tamin'ny fandraharahany ny Fanjakana (ny ministeran'ny vola). Nolavin'i Rajerison izany ary nambarany fa "famoretana ara-politika" natao hampanginana ny feony tsy hiteny ny tsy mety ataon'ny fanjakana. Raha raisina amin’ireo, mety ho resaky ny moana sy ny marenina ity raharaha ity na misy karazana tsindry ankolaka toa te hilaza hoe tokony hamela heloka raha mpiandry izay mety sasanangy samihafa. Somary manaitra ihany ity sary mitranga ity hoe : ny Depiote Antoine Rajerison irery no mpanao politika sahy nijoro sy nanao antso ampahibemaso hamelana ny Kolonely Patrick ao anatin’ny fotoana tena mampangotraka ny afera momba azy. Fifandrifian-javatra ve sa politika avo lenta ? Politika no resaka, ka tsy hay izay mety ho fiovan-javatra arakaraka ny tsio-drivotra mandeha, ka andrasana ny tohiny.
Toky R