Manamafy ny fampiasan-kery amin’ny alalan’ny fampiasana ny mpitandro filaminana ho herim-pamoretana hamono vahoaka ny Fanjakana napetrak’i Andry Rajoelina. Nandrika indray mantsy ny ra tetsy Mahamasina ny andron’ny omaly 08 novambra teny Mahamasina, toerana nifanomezan’ny Firaisankinan’ny kandida tamin’ny vahoaka. Ny vahoaka no tonga nialoha tsikelikely teny Mahamasina satria mbola nihaona tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny FFKM teny Tsimbazaza ireo kandida. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, tonga nanao be fiavy ihany koa ny andiana miaramila, zandary, polisy marobe notarihin’ny Kolonely Faneva, nanome toromarika ny hipariahan’ny olona. Natosika handeha ny vahoaka, saingy nifampihainohaino teo, mikisaka kely dia eo ihany. Efa tany ho any amin’ny tamin’ny 1 ora mahery no tonga ireo kandida. Samy nifampihainohaino sy nifanositosika teo, saingy tsy niala ireo olona, ka vao mikisaka haka bahana ny mpitandro ny filaminana, dia misy ihany koa ny miezaka manatona tsy miala lavitra azy ireo. Tao anatin’ny adin’ny iray latsaka teo no nifampitazana sy nifampiziriziry teo. Tampoka teo anefa, nosamborina ny depiote voafidy teny amin’ny Boriborintany fahadimy sady Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM Fetra Ralambozafimbololona. Natao tahaka ireny mibata kisoa ireny, ka zandary maro no nanatanteraka ny fibedana sy fampidirana azy tao anaty kamio, narahana daroka sy nohitsakitsahana. Nifanindran-dàlana tamin’izay no nampitroatra ny olona, ka nisy ny niezaka nitazona sy nisarangotra tamin’ny zandary teo am-pitsoahana hiakatra ny fiara hitondra an’io depiote io, tao ny nitoraka tamin’ny tavoahany nitondrana rano,… Raikitra ny tifitra baomba mandatsa-dranomaso, ary tao anatin’ny fifanjevoana dia raim-pianankaviana iray ihany koa no notazonin’ny iray tamin’ny « force » heverina fa saika hosamborina, nifampisintonan’ny sivily sy ny polisy, ka tao anatin’izany no nitifirana azy akaiky dia akaiky tamin’ny faritry ny lohany, ka nahavoa ny tarehiny izay tonga dia lavaka be tanteraka, ary tavela tao aza ny ampahany tamin’ireo bala namelezana azy. Rehefa tonitony, ka niverenana teo amin’ny toerana nisian’ny sakoroka, dia nahitana bala tena izy. Maro ireo naratra, ka lehilahy roa no voa teo amin’ny takibany izay mbola somary ankizy ny iray, nisy mpivarotra voa teo amin’ny tongony,… Nifamezivezy ireo fiaran’ny Croix rouges nanao vonjy taitra nandray an-tànana ny marary ankoatra ny niditra avy hatrany tao amin’ny Hopitaly Befelatanana, toy ilay raim-pianankaviana voa teo amin’ny tarehiny.
Ao anatin’ny herinandro mialohan’ny fifidianana no mihamafy ny fampiasan-kery hoenti-mamoritra vahoaka, hampanenkena ny rehetra ny amboletra,… Miharatsy tanteraka ny sary, miharihary ny endriky ny sy tian-kano tsy tian-kano, ny fanosihosena ny zon’olombelona, ny fandatsahan-dra, famonoana vahoaka,… Fifidianana milamina sy azo antoka inona no handeha amin’izany ? Isan’ny firenena nanasonia ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny fampijaliana sy habibiana amin’ny maha olona novolavolaina tamin’ny 10 desambra 1984, ary nanan-kery nanomboka ny 26 jona 1987 i Madagasikara, ka hanahirana raha izao no mitohy.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,