izay nataony tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny Antoko HVM tetsy Andraharo, teo anatrehan’ireo mpikatroka avy amin’io Antoko io izay nisy solontena isaky ny faritra. 5 taona aty aoriana, nanitrikitrika I Hery Rajaonarimampianina fa nisy halatra sy fanonkodinam-bato tamin’ny fifidianana 2018 fa tsy mitombina. Nanitrikitrika fa betsaka ny zavatra nataony, ary mety sahirana ny mpitondra ankehitriny raha tsy teo ny dian-tanany. “Teto amin’ity toerana ity aho no nilaza fa tsy 8% fa misy halatra, misy hosoka, misy fanodinkodinam-bato, teto aho no nilaza izany fa mbola haveriko androany. Niarahantsika nanaiky izany. Eo ianareo any Atsimo Andrefana, nilokaloka ny tao Toliara hoe: farahafakeliny hahazo 80%, hay nalain-dry zalahy ilay “0”. Ianao ve dia hino fa 0% no azoko, tsy mino aho hoe: ao Toliara dia 0%”, hoy I Hery Rajaonarimampianina. Lazaina fa lasa nandeha nitsoaka Rajaonarimampianina nanao sesin-tany ka maninona Rajaonarimampianina no hitsoaka, angaha tsy nahavita ny zavatra tokony ho nataony? hoy hatrany izy. Nilaza noho izany ity Filoha teo aloha ity, fa matoa tafaverina, dia mbola te hilaza fa sady mahavita, ary sahy milaza fa nahavita, ary mbola hiresaka hoe: inona no tokony hatao. Toy ny efa nambarany ny sabotsy teo, fa raha mijanona eto dia aty any ny hanilihana ny zavatra rehetra tsy mety, ka ny fahendrena no nandeha amin’izay izay mitondra no mitondra malalaka sy tompon’andraikitra tanteraka amin’ny zava-misy eo, raha ny nambarany hatrany. Naneho fa henony avokoa ny fanaratsiana sy fanesohesoana samihafa natao az. “Isika no tokony hisaorana, Rajaonarimpianina no tokony hisaorana, fa raha tsy nanao, tsy nanomboka tsy niasa isika dia ho sahirana teto. Tsy zavatra azo totofana, tsisy zavatra azo hafenina, tsy misy tantara azo hovaina eto”, hoy ny valin-kafatr’ity Filoha teo aloha ity. Hiditra an-tsehatra amin’ny fitetezam-paritra ity Filoha teo aloha ity, taorian’ny fanambarany omaly ka dia andrasana izay ho endrika isehoany. Hanao ahoana ny ho endrika isehoany? Ho afaka hanao hetsika sy hamory vahoaka an-kahalalana sa hosakantsakanana tahaka ny natao an’I Marc Ravalomanana?
MATAHOTRA NY 8% INDRAY ANGAHA
? Nilaza ihany koa ny mpandrindra nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao fa mariky ny toetra ratsin’ny fitondrana ankehitriny ny sakantsakana natao ny HVM tahaka ny natao teny Ivato ny sabotsy teo. Nahazoana alalana tamin’ny ambaratongam-pahefana rehetra, ary tsy tonga teny izahay raha tsy nahazo izany hoy izy. Nahitsy i Rivo Rakotovao nilaza hoe:Angaha matahotra ny 8% sy ny Filoha Rajaonarimampianina indray Matahotra ilay « imbéciles » ? Matahotra ny Filoha? Angaha izy nanakana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny 2018? Izao sakanana ingahy Ravalomanana, sakanana ingahy Hery Rajaonarimampianina, sakanana izay maneho hevitra ka ho reraka eo ry zareo, hoy i Rivo Rakotovao.
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny