Ny vanim-potoana mafampana eo amin’ny firenena, ny fahatezeran’ny olona amin’ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana, ny fahatezerana ara-politika,… no isan’ny anton’ireny. Matetika arakaraka ny fanenjehana sy ny fampiasan-kery ataon’ny ny fitondrana no vao mainka mampirongatra ny fanehoana fahatezerana tahaka ireny. Betsaka rahateo ny tranga toa niteraka fahatezerana sy fahasorenana niseho ara-politika tamin’iny faran’ny herinandro iny. Teo ny fandrangarangana herim-pamoretana nataon’ny Fanjakana, izay midika fa tsy afaka mifehy ny toe-draharaham-pirenena amin’ny endri-pandaminana tsotra intsony izany, fa mandrangaranga hery. Teo ihany koa ilay resabe momba ny fisian’ny olona nosamborina teny amin’ny làlan’ny “By Pass” naneho fihetsika miendrika tsy fankasitrahana ny filoham-pirenena sy ny fanjakana tamin’ny alalan’ny tànana na “pousse inverse”, izay voalaza fa naiditra am-ponja vonjimaika. Poizina ary vao mainka mampitombo ny fahatezeran’ny olona ny karazana fanamparam-pahefana sy hetraketraka tahaka izany. Ny mitondra izany tokony hahazaka kiana sy tsikera, fa matoa ny Fanjakana iray na fitondrana iray tonga any amin’ny fanenjehana, fisamborana, fanagadrana, fampiasana ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ho fitaovana politika, manao izay tsy hiampitan’ny fanehoan-kevitra amin’ny fangejana haino aman-jery,… dia efa manomboka manisa andro izy izay, fa tsy ho tafajanonana ela intsony amin’ny fitondrana. Ny endrika isehoany no mety tsy ho fantatra mazava na mialoha na aorian’ny fifidianana. Rehefa tsy maharo tena amin’ny asa, famahana olam-bahoaka, fanjakana tsara tantana,… fa miditra amin’ny fampiasan-kery mivantana na ankolaka, dia ny saina no amboarina fa tsy maintsy hikoa na ho ela na ho haingana.
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,