airtel

Politique

14-avril-2023

Politique

Marc Ravalomanana Hiezaka hitazona ny vato azony tany Menabe?

Sample post image

Niazo an’i Morondava indray ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly 13 aprily. Mitety tanàna mihaino ny hetahetan’ny olona, mitafa mivantana tahaka ny fanaony,

14-avril-2023

fa eo ihany koa ny resaka toromarika sy fanentanana ara-pifidianana. Hanao fihaonambe ao amin’ny Espace Ambanivohitra Morima rahateo ny TIM ao anatin’ny Faritra Menabe rahampitso sabotsy 15 aprily. Nisy tamin’ireo nandray azy tany an-toerana no naneho ny fihetseham-pony nitaraina tamin-dranomaso tamin’I Marc Ravalomanana hoe: “mijaly izahay dada a! Miverena dada a!” Tao ny naneho ny hafaliany,... “Tsy ho ela aho dia ho avy, aza matahotra, ary isika indray no hamelona ny fanantenan’ny Malagasy ao anatin’izao fahantrana lalina izao”, hoy I Marc Ravalomanana. Namory ireo mpitarika ny TIM any an-toerana ihany koa moa ity Filoha teo aloha ity, nifanomezana toromarika momba ny fifidianana. Naneho izy ireo fa nahitana tsy fahalavorariana ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. “Raha vao tsy voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy dia tsy afaka handatsa-bato, tsy afaka hofidiana, tsy afaka hanao mpikamban’ny birao fandatsaham-bato, tsy afaka hanara-maso sy hanao fitarainana raha misy tsy mety,...”, hoy io Filoha teo aloha io nanentana. Nampahatsiahy fa efa nanapa-kevitra sy nanao antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra ny FFKM, mba hanao ny maha zava-dehibe ny maha olom-pirenena, hiady fo ho voasoratra anarana, ka anjaran’ny rehetra no mijoro, hanamarina ny anarana, handray andraikitra. Nambaran’I Marc Ravalomanana ihany koa tetsy andaniny, fa misy ny hafetsena sy ny fikasan-dratsy kasaina hatao, ka nampitan’ny TIM fa ny fifidianana madio ihany no antoka hisian’ny filaminana sy fampandrosoana eto Madagasikara. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy, fa iray amin’ireo faritra nahazoan’I Marc Ravalomanana isan-jato ambony noho ny azon’I Andry Rajoelina ny faritra Menabe tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny taona 2018 nifanandrinan’ny roa tonta, ary mikasa ny mbola hitazona izany ny TIM amin’ny fifidianana manaraka eo. Mbola hiverina ve ny sary tany aloha sa mety ho hafa mihitsy ny sary politika amin’ny fifidianana manaraka eo noho ny antony maro?
Toky R

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap