airtel

Politique

07-mars-2022

Politique

Marc Ravalomanana Mbola ho kandida ihany ve ?

Sample post image

Vao migadona ny taona 2023, dia efa taom-pifidianana. Mbola baraingo amin’ny rehetra ny sarisary ara-politika mety hipoitra ao anatin’izay.

07-mars-2022

 Samy mametra-panontaniana ny rehetra hoe: mbola hiverina ve ny sary tamin’ny 2018 teo amin’i Andry Rajoelina ankehitriny sy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana? Fifanandrinana izay efa niainga tany amin’ny taona 2007. Mbola ho kandida hifanandrina amin-dRajoelina ve i Marc Ravalomanana amin’io 2013 io sa mety handrotsaka olon-kafa ny antokony sy ny vovonan’ny mpanohitra miara-dia aminy? Ny andro sisa iainako dia hanasoavako ny vahoaka Malagasy”, hoy i Marc Ravalomanana. Amin’ny endriny ahoana no hisehoan’io? Amin’ny alalan’ny fakana fahefana ka hiverina eo amin’ny fitondrana indray ahafahana mitondra ny vina sy vahaolana ho an’ny firenena ve? Sa amin’ny alalan’ny fitondrana fanampiana amin’ny endriny samihafa amin’ireo sokajin’olona tandrify azy? Matetika manome toromarika ny vahoaka mpiara-dia aminy ho mailo amin’izay, ary tsy hanaiky intsony amin’ny halatra. Ny 10 aogositra 2021 nandritra ny fanamarihana ny faha-2 taonan’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara), ohatra, dia hentitra ity Filoha teo aloha ity naneho, fa vonona haka fahefana hatrany amin’ny fokontany hatrany amin’ny farantampony ny mpanohitra. Raha raisina amin’ireny, dia heverina fa mbola ho kandida Filoham-pirenena manaraka eo ny tenany. Atoa Marc Ravalomanana sy ny mpanohitra tarihiny, izay mitaky ny fandravana ny CENI (Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana) sy ny HCC (Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana) satria sokajian’izy ireo ho mitanila, kanefa ny Filoha ankehitriny izay nanendry ny mpikambana sasany ao, dia azo antoka ny haha kandida azy. Miantso ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena noho izany ny mpanohitra. Amin’ny lafiny iray ihany koa anefa, tena vonona ny hiady sy hitolona ve i Marc Ravalomanana eo anatrehan’ny mety ho fibodoam-pahefana ataon-dRajoelina sy ny ekipany, izay azo antoka fa hanao izay fomba rehetra hitazonana io fahefana io ve? Efa endrika iray hisehoany io resaka CENI sy HCC io ?
VONONA HANATSIMBADIKA NY RASA
Rehefa zohiana mantsy ny tantara niainga tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, dia nisy ny endrika fandeferana nataony, fa raha nidrikina ny tenany mety afaka nifampitsapa hery hatramin’ny farany tamin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany, saingy nisoroka ny rà mandriaka. Mbola nitohy io ny taona 2018, izay efa nanehoany, fa fisorohana ny ra mandriaka sy ny korontana no antony nandeferany. Etsy andaniny, mbola tsy teo amin’ny fahefana i Andry Rajoelina sy ny ekipany tamin’ireny kanefa afaka nanao don-tandroka, vonona ny hiady,… mainka fa amin’izao nahazo fahefana sy rafitra izao? Vonona ny hisaoty ireo sakana rehetra sy hanatsimbadika ny rasan’ny 2009 sy 2018 ary ve i Marc Ravalomanana sa hisafidy ny hanova paikady politika amin’ny 2023? Hizotra amin’ny sori-dàlana heverin’ny mpitondra hizorany ihany koa ve ny toe-draharaha sa toe-draharaha mety hisy toe-javatra hiseho, toy ny nialohan’ny fifidianana 2018 ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap