airtel

Politique

01-août-2023

Politique

Marc Ravalomanana “Mihantsy ady ny Minisitry ny atitany”

Sample post image

Nitondra setriny manoloana ilay naotin’ny Minisitry ny Atitany tamin’ny alalan’ny taratasy laharana faha-162/2023-MID tamin’ny 27 jolay 2023 lasa teo,

01-août-2023

izay maniraka ireo Préfets sy Chef de District rehetra hitety Kaominina maika hanontany ny tena ilain’ny Vahoaka ho an’ny Fampandrosoana sy hanazava ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ary hitanisa ireo zava-bitan’ny Fitondrana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly. “Ireo Préfets sy Chef de District ireo indray no manery ny Mpiasam-panjakana rehetra eo ambany fahefany ary manery ireo Mpandraharaha tsy miankina eo amin’ny faritra misy azy hanampy na ara-bola na ara-pitaovana hanatanterahana io baiko nomen’ny Minisitry ny Atitany io”, hoy I Marc Ravalomanana. Mazava anefa, hoy izy, fa tsy amin’izao fotoana fiafaran’ny taom-piasana izao no fanaovana ny ezaka hahafantarana ny hetahetan’ny vahoaka ho an’ny fampandrosoana sy hanazavan ny PGE. Mazava ny tetika sy ny tanjona amin’izao baiko nomen’ny Minisitry ny Atitany izao, ka mahitsy sy mazava izahay milaza fa fampiasana ny fahefam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana hanohanana ny Mpitondra, hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Nambarany fa finiavana sahady handika ny lalàna velona izay mitaky ny tsy tokony hisian’ny fiandaniana sy fitanilàna ataon’ny “Administration” sy ny Mpiasam-panjakana mialohan’ny fifidianana. “Raisinay ho fihantsiana na “provocation” izao fihetsika ataon’ny Fitondrana izao. Efa nisy ny taratasy nataon’io Minisitry ny Atitany io ihany izay nandrara ny famoriam-bahoaka ankalamanjana, izay tsy ara-dalàna sady niteraka savorovoro sy korontana maro nanerana ny Nosy ny fampiharana iny fepetra tsy fahazoana an’iny. Izao indray dia misy ity taratasy sy baiko ity,… Averiko sy hamafisiko fa tsy azo ekena intsony fandikan-dalana sy ny famitahana ny vahoaka malagasy amin’ny fanodikodinana ny safidiny. Tsy maintsy mijoro isika hanohitra izany, ary mailo tena mailo tsy ho tafiditra ao anatin’ny velampandrik’ireo mitetika hanakorontana”, hoy I Marc Ravalomanana. Niantso ny rehetra ho mailo sy hamaky bantsilany ny ambarany fa teti-dratsy, ary nitaona ireo mpiasam-panjakana mba hanaja ny tsy fiandaniana, mba tsy ho mpiray tsikombakomba amin’ny tsy fanarahan-dalàna i Marc Ravalomanana. Niantso ny CENI tsy hangina intsony manoloana izay mety ho tsy fanarahan-dalàna,...
Toky R


 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap